Sabotsy 21 aogositra 2021 — Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8

Mampiasa ny endriky ny foto-boaloboka eto i Jesoa, mba hamaritany ny tokony ho toetran’ny mpianany amin’ny fanarahan-dia azy sy ny fitoeran’izy ireo ao amin’ny finoana. Ny tanjony amin’izany dia ny mba tsy hisarahantsika kristianina aminy sy ny mba hifankatiavantsika ihany koa.

Efa hatramin’ny andron’ireo mpaminany no nampiasaina ny endriky ny foto-boaloboka izay hitantsika ao amin’ny bokin’i Osea mpaminany sy i Jeremia mpaminany mba hilazana fa ny vahoaka Israely no endrika tokan’ny tena foto-boaloboka. Naverin’i Jesoa anefa izany tamin’ny fampianarany ka nilazany fa ny Rainy no mpamboly sy mpikolokolo azy io ary naniraka ny zanany lahitokana kosa mba hanavaka an’ireo mamoa sy ny tsy mamoa.

Nampitandreman’i Jesoa àry ireo mpianany hoe “mitomoera ao amiko ary Izaho hitoetra ao aminareo”, izany hoe mahareta amin’ny finoana. Ny faharetana miaraka Aminy mantsy no hahazoantsika vokatra amin’izay atao. Izy no antoka ho antsika. Ary raha misaraka aminy isika dia tsy hahavita na inona na inona akory amin’izay atao, ary efa voaheloka sahady.

Ny tena kristianina àry dia ireo tsy mba misaraka amin’ny Kristy, toa izany koa ireo mihaino sy mitandrina ny teniny mandrakariva ary tsy mikatsaka afa-tsy ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Ny fiainantsika kristianina mantsy dia toerana hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra raha hanjakan’ny fitiavana an’i Kristy sy ny hafa.

Mankalaza an’i Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra ihany koa ny Fiangonana anio. Ilay vehivavy niaina ny fahamasinana tao anatin’ny sakramenta ny fanambadiana. Anisan’ireo sampana izay tsy mba nivadika tamin’ilay foto-boaloboka tokoa izy na dia teo aza ireo zava-manahirana tao anatin’ny fiainan-tokantranony. Notandroviny mandrakariva ny hasin’ny mariazy araka izany.

Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra, mivavaha ho anay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...