Alatsinainy 16 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 16-22
Ny olona tsirairay dia sady manana zo amin'ny soa iombonana no manana adidy hampanjaka sy hikolokolo izany. Manana adidy isika hitondra ny anjara biriky amin'ny fanorenana sy fanohizana ny soa iombonana. Mila mifanome tanana ny tsirairay eo anivon'ny sehatra misy azy hanasoa ny hafa. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonana, iarahana amin'i P. Ranaivozanany Tina Jeannot.
Alahady 15 aogositra 2021 — Ny nampakarana an'i Masina Maria any an-danitra — Nampiakarina any an-danitra i Maria, ka mifaly ny tafiky ny Anjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56
Ny zaza voaloboka dia fiforonana vohoka tsy ho ary, noho ny tsy fahatomombanan'ny fitsaihina izany hoe tsy araka ny tokony ho izy ny fihaonan'ny atodinaina vavy sy ny atodinaina lahy. Misy karazany roa ny tranga "zaza voaloboka" : voalohany, mety ho ny atodinainay vavy no tsy tomombana " môle hydatiforme complète " ; faharoa ny atodinainay lahy no tsy tomombana "môle hydatiforme partielle"...
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco