♦ Tsy miova ny datin'ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC, hoy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany. Mbola mila roa volana sy tapany hamitana ny taom-pianarana kosa ny Oniversiten'Antananarivo... ♦ Nanapa-kevitra ny hampiato ny fitokonany manomboka rahampitso ireo mpiasa sy mpandraharaha eo anivon'ny Oniversiten'Antananarivo...
♦ Miroso amin'ny fampihenana ny vidin-jiro eto Madagasikara ny fitondram-panjakàna, amin'ny alalan'ny fampiasàna angovo azo havaozina. Hanomboka amin'ny alatsinainy ho avy izao koa ny tetik'asa " Branchement Mora"... ♦ Mbola azo atao eny amin'ny masoivohon'ny BFM rehetra manerana ny nosy, hatramin'ny 30 jona izao ny fanakalozana ny vola nivoaka tamin'ny tamin'ny taona 2003 sy 2004... ♦ Manodidina ny 30.000 ny olona vita vaksinin'ny Covid-19 hatramin'izao ary mbola mitohy hatrany ny fanaovana ity andiany voalohany ity...
Tsy atao hifaninànana akory ny olombelona mpiara-belona aminao, sakamalo sy havozo ka samy manana ny hanitra ho azy. Ny olonna tsirairay dia tokony hanana fototra tsara. Mandeha ho azy ny fihetsika rehefa voataiza tsara ny toe-tsaina. Ny mpiara-belona amintsika dia tsy fahavalo fa manana fijery hafa fotsiny, tsy ny olona no atao hoe fahavalo fa ny tranga-piainana no atao hoe fanamby hihorana. Tsy hatao ao an-tsaina loatra ny hoe "ady ny fiainana" mba hitoetra ny fahatokisan-tena sy ny risim-po ary mba handresena ny tahotra...
♦ Tsy afaka hankalaza ny fetin'ny Sakramenta Masina toa ny fanao isan-taona ao amin'ny Paroasy Mahamasina ny kristiana eto amin'ny diosezy Antananarivo amin'ny alahady izao... ♦ Kaominina Andranomavo, kaominina Soalala ary kaominina Belobaka isan'ny notsidihan'ny Filoham-pirenena... ♦ Nosokafana ofisaly androany ny toerana hanatanterahana ny fanaovam-baksiny hisorohana ny Covid-19, ho an'ny eo anivon'ny kaominina Antananarivo, ao amin'ny kianja Malacam-Antanimena...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco