Ny iraky ny vaomiera misahana ny pastoralin'ny fahasalamana isam-piangonana dia hoe : "Ny marary andriana sady andrianina, mampiseho ny fiahian'ny fiangonana amin'ny alalan'ny asa fanompoana sy ny fitiavana ny rahalahy sy anabavy marary, ny zokiolona, ao anatin'ny fahamendrehana." Ary ny nofinofy dia ny fahasambarana sy fahasalamana amin'ny taona rehetra, araka ny Vaovao Mahafaly.

Ny kolontsaina sy ny riba : fomba amam-panao nentin'ireo zokiolona nandrindra ny fiainana. Ankehitriny dia mifangaro ny fomba sy ny finoana. Ny fahasimban'ny kolontsaina sy ny riba dia mahatonga ny  olona ho lasa tsy matahotra sy lasa sahisahy. Tsy misy fiaraha-monina milamina sy mandroso raha tsy misy zavatra atahorana. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

♦ Nitokona nampitsahatra ny asany ireo mpiasa tsy raikitra eo anivon'ny CNAPMAD eny Ankorondrano, noho ny tsy fandraisana tambin-karama. Tsy nety namoaka ny laza adina BEPC voatonta ho an'ny Faritra Analamanga izy ireo, androany... ♦ Nilaza ho tsy afa-po tamin'ny dinika tamin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ireo antoko sy fikambanana manohy ny fitakiana ireo nosy malagasy. Nitafa tamin'ny mpanao gazety izy ireo androany, nitatitra ny akon'izany...

♦ Resy lahatra ny sampana rano sy ala eo anivon'ny sekoly ambony momba ny fiompiana sy fambolena eny amin'ny Oniversitea Antananarivo fa mahomby kokoa ny fanentanana hatao eny ifotony amin'ny fikajiana ny tontolo iainana. Natao hanatontosana izany ny tetik'asa SAHA Maintsoanala, izay hiarahana miasa amin'ny Vondron'Olona Ifotony. Tetik'asa tanterahina eo anelan'elan' Ambatolaona sy Marozevo... ♦ Ny sifaka na tsibaka : isan'ireo varika 105 harena manokana ho an'i Madagasikara, hita any amin'ny faritra andrefana... 

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...