“Faharetana ombam-panetren-tena, fahazotoana mikarakara ny tanora, fiainana ny voady telo maha-relijiozy” : Ireo no votoatin’ny hafatr’i Mgr Rosario Vella, eveka salezianina, isan’ireo mpamaky lay ny salezianina teto Madagasikara, tamin’ny fanokafana ny fankalazàna ny faha-40 taona ny nahatongavan’ny Salezianin’i Don Bosco teto Madagasikara.
♦ Mankalaza ny faha-40 taona nahatongavany teto Madagasikara ny Salezianin'i Don Bosco, natomboka tamin'ny alalan'ny Sorona Masina ny fanokafana ny fankalazàna omaly 14 jolay... ♦ Misasaka ny fe-potoam-piasan'ny filoham-pirenena mila miroso amin'ny tena fampandrosoana mipaka mivantana amin'ny vahoaka amin'izay ny mpitondra hoy ny solombavambahoaka Paul Rahasimanana... ♦ Vonona hiatrika ny fanadinam-panjakàna BEPC amin'ny alatsinainy izao ny Cisco an'i Vohipeno...
♦ Salezianin'i Don Bosco, manamarika ny faha-40 taona nahatongavana teto Madagasikara ny fikambana. Nosokafana omaly takariva tamin'ny alalan'ny Sorona Masina ny fankalazana... ♦ Madagasikara sy La Frantsa, nohamafisin'ny ministry ny raharaham-bahiny nandritra ny lahateniny nanoloana ny masoivohon'i Frantsa teny Ivandry ny fitakian'i Malagasy ireo nosy manodidina bodoin'ny Frantsa fa azy... ♦ Nitombo 16% ny isan'ny mpiadina bakalôrea amin'ity taona ity, ho hentitra ny fitandroana ny filaminana...
Ny tontolo iainana : samy miaritra ny voka-dratsin'ny fahasimban'ny tontolo iainana izao tontolo izao ankehitriny ; anefa samy tsy manana soritr'asa mazava hamerenana izany na dia ampahany aza. Ny zava-boary dia velona tsy misy olombelona fa ity farany no tsy velona raha tsy misy zava-boary. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco