♦ Nankalaza ny faha-40 taona nahatongavany teto Madagasikara, tao amin'ny Distrika Bemanevika, niasan'ireo misionera voalohany, diôsezy Ambanja, omaly, ny fikambanana saleziana... ♦ Baolina kitra, niala tamin'ny isa aotra, ka lasa manana isa telo ao anatin'ny vondrona "J" misy azy i Madagasikara. Resin'ny Barea i RDC... ♦ Fahasalamana : tsy hiasa ireo mpianatra ho mpitsabo ao amin'ny HJRA sy ny mpitsabo manaraka fiofanana manokana raha tsy mivoaka ny mpampianatra azy ireo nosamborin'ny pôlisy...
Ny fanambadiana amin'ny hafa finoana? Tsy misy fanakanana an'izany fa ny fitanana ny finoana sy ny fampitana azy amin'ny taranaka no zava-dehibe. Tokana ihany ny mariazy fa ny endriny no samihafa. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alatsinainy 11 oktobra 2021 — Herinandro fahavalo amby roapolo mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 29-32
Manampy antsika hafantatra kokoa ny antso ho amin'ny fanambadiana ny fanadihadiana, hatao eo anatrehan'ny pretra, an-tsitrapo marina ve?. Ny laretirety dia isan'ireo fomba nampianarin'ny fiangonana entina handinihan-tena. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana soloniaina Jean Emilien.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco