Ho fantatra amin'ity volona oktobra ity ny vina manokana ho an'ny toetr'andro momba ny taom-pambolena hoy ny teo anivon'ny fitantanana ankapoben'ny Météo Madagasikara. Ampanangonana ny vaovao ahafahana mamoaka fehin-kevitra momba izany ny teknisiana...

♦ Afaka mamoaka vinavina momba ny ho fitomboan'ny isan'ny mponina eto Madagasikara hatramin'ny taona 2050 ny INSTAT noho ny fanohanana avy amin'ny Amerikana. Heverina ho tafakatra 60.000.000 izany ny taona 2043... ♦ Niverina niasa nanomboka androany, ny Koperativa KOMPIAMA, tao aorian'ny fampiatoana folo andro. Koperativa izay mampitohy an'Antananarivo sy Fianarantsoa...

Toetra sy fihetsika tokony ananan'ny tsirairay ny fahamarinana sy ny fahitsiana. Manana anjara toerana lehibe amin'izany ny fanabeazana hamolavola olom-pirenena vanona. Etsy andaniny ny fanarahana ny lalàna araka ny tokony ho izy. Ilàna fandraisana andraikitra sy fanapahan-kevitry ny tsirairay izany.

Ny fanambadiana dia tokana sy masina ary tsy azo ravana. Manana andraikitra ny fiangonana manoloana ny antso ho amin'ny lalan'ny fanambadiana. Rafitra tsy maintsy lalovana ny dinika amin'ny pretra sy ny fianankaviana. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...