♦ Nodimandry omaly ny Jeneraly Fidy. Nahafantarana azy ny raharaha 2002, nitarihany ny zana-dambo nanohitra ny miaramila miara-dia tamin'ny filoha teo aloha Ny amiraly Didier Ratsiraka tao Andohanatady-Fianarantsoa... ♦ Tanterahana any Ambositra ny andro siantifika ho an'ny IST andiany faha enina. Mandray anjara avokoa ny IST telo eto amin'ny nosy... ♦ Tafidina hatrany amin'ny 60 000 Ariary ny iray kilaon'ny Lavanila masaka any amin'ny distrika Vohipeno. Kivy tanteraka ny mpamboly...
Matetika ny olona dia tsy mampiseho mivantana ny tena iainany marina ohatra amin'ny hafaliana na fahasahirana. Raha tsy miaina amin'ny toe-tsaina mangarahara isika dia mitoetra ao anaty fihatsarambelatsihy. Ny voajanahary dia ny milaza izay iainana amin'ny fihetsika na fiteny, tahaka ny fomban'ny ankizy. Ilaina fandanjalanjana araka izany ny toe-tsaina...
♦ Nanamarika ny andro eran-tany ho an'ny mpanabe ireo mpampianatra mivondrona anaty sendika samihafa. Miantso ny mpitondra hanome lanja ny sehatr'asa fanabeazana izy ireo... ♦ Hanandratra ny asa tanana, vita amin'ny hoditra amin'ny alalan'ny varotra fampirantiana ny mpisehatra : Hetsika Ankora gasik'Art eny Antaninarenina... ♦ Hitohy isan'andro manomboka izao ny famendrahana ranom-panafody mamono tsimok'aretina ho an'ny fiara fitanteram-bahoaka an-drenivohitra...
Tsara ny halalana ny hoe : famantarana. Zavatra manaitra mahatonga haniry hanao zavatra iray. Mila olona hanampy ianao, hampirona kokoa amin'ny famaliana ny antso. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco