♦ Nomarihana androany ny andro eran-tany ho an'ny mpanabe. Tsy diso anjara tamin'ny fankalazana ireo mpampianatra mivondrona anaty sendikà... ♦ Hitohy isan'andro, manomboka izao, ny famendrahana ranom-panafody mamono ny tsimok'aretina, ho an'ny fiara fitateram-bahoaka ao an-drenivohitra. Natomboka androany teny Analamahitsy izany...

♦ Tsabahan'ny ministeran'ny serasera ny Holafitry ny mpanao gazety, hoy Maître Olalah. Nambaran'ity mpahay lalàna ity fa ahiana ny tsy hisian'ny fahaleovan-tenan'ny Holafitra... ♦ Hahazo onitra avokoa ireo mponina manan-tany sy trano tsy maintsy ravàna anatin'ny tetik'asa Tana-Masoandro eny Imerintsiatosika. Omena tombondahany amin'ny fahazoana trano 320 haorina anatin'ny tetik'asa, ireo rava trano... ♦ Misy efa tratra ireo jiolahy nahavanona ilay fanakanan-dalana amin'ny RN-7, tany Ambositra. Misy amin'izy ireo no nahatrarana ny firavak'ireo mpandeha tamin'iny fanafihana iny...

♦ Notsenain'ny fitokonana ny fidiran'ny mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo eny Ankatso omaly. Nakaton'ireo mpandraharaha ny vavahady sy ny efitrano fianarana, noho ny hetsi-pitakiana... ♦ Manohy ny fahampielezan-keviny ho an'ny fifidianana filohan'ny olafitry ny mpanao gazety ny kandidà ho amin'izany. Maro ireo fanambarana navoakan'ireo fikambanan'ny mpanao gazety samihafa mangataka hanemorana ny fifidianana... ♦ Efa any Kinshasa nanomboka androany maraina ny ampahany amin'ireo mpilalaon'ny Barea hiatrika ny lalaon'i RD Congo ny alakamisy izao, tsy ho avy i Carolus...

Fomba sy endriky hamantarana antso ny fahanginana. Mila fitoniana rehefa misy tranga iray, tsy misendaotra, mamakafaka tsara ao am-po lalina. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 mey 2025

• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...