♦ Notanterahana omaly tao Morondava ny lamesa fisaorana an'Andriamanitra ho fialan-tsasatry ny fanahin'ny Eveka Emeriten'ny Diosezin'i Morondava Mgr Donald Pelettier, nodimandry tany Etazonia ny Alahady teo... ♦ Namoaka boky tsangambaton'ny faha-50 taona niorenan'ny Faritra Jésuites eto Madagasikara ny fikambanan'i Jesoa eto amintsika... ♦ Miantso an'ireo ministra tompon'andraikitra handrava ny tambazotran'ny mpangala-tany eto Madagsikara ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany, nanomboka omaly ary hifarana rahampitso...
Manana sofina avokoa isika rehetra, kanefa matetika, na ireo izay manana fandrenesana faran'izay tsara aza dia tsy afaka hihaino ny hafa akory. Misy araka izany ny hasembanana marenina ao anaty, izay ratsiratsy kokoa indray noho ny fahasembanana ara-batana. Ny fihainoana araka izany dia tsy hoe mahakasika fotsiny ny retsi-pandrenesan'ny sofina, fa ny maha-olona manontolo mihitsy. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alakamisy 9 jona 2022 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26
♦ Namoaka boky tsangambaton'ny faha-50 taona niorenan'ny Faritra Jésuites eto Madagasikara ny fikambanan'i Jesoa eto amintsika... ♦ Misy amin'ireo olom-boatendry sy olom-boafidy, mpitsara, mpandraharaha, olon-tsotra tafiditra ao anatin'ny tambazotra mpaka tany tsy ara-drariny, hoy ny filoha Rajoelina Andry androany... ♦ Mbola tsy misy afatsy ny 17% amin'ireo olona marefo tokony hisitraka fanampiana sy fiahiana ara-tsosialy ihany no mahazo izany hatramin'izao hoy ny FID... ♦ Naneho ny hafaliany tamin'ny fanalavana ho roa volana indray ny fampitsaharana ny poa-basy sy ny ady any Yemen ny Papa François...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco