Zoma 10 jona 2022 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 27-32

♦ Tombanana ho hatrany amin'ny 13 tapitrisa mahery ny olom-pirenena ho tafiditra ao anatin'ny lisi-pifidianana, ao aorian'ny fanavaozana tanteraka izay atao, nanomboka tamin'ny 11 mey 2022 ary tsy hifarana raha tsy amin'ny 10 jona 2023... ♦ Ho vitaina mialoha ny  volana jolay amin'ny taona ho avy ny 80 km amin'ilay lalam-be migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina. Hatomboka amin'ny fomba ôfisialy amin'ny 17 jolay 2022 kosa ny fanamboaraha ny Lalam-pirenena faha-13...

♦ Isan'ny mampirongatra ny ady tany eto Madagasikara ny fitsarana miangatra sy mitanila hoy ny filohan'ny vaomiera misahana ny fananan-tany eny amin'ny antenimieram-pirenena Naivo Raholidinina. Andro faharoa amin'ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany ny androany... ♦ Nahitam-bokany ny ezaka nataon'ny mpitandro filaminana ao Fianarantsoa. Tratra ireo jiolahy nampahory ny vahoaka efa nokarohana nandritra ny herintaona... ♦ Nisokatra ny faha enin'ny volana jona teo ny taom-pihotazana sy fanangonana ary ny famarotana na anatiny na ivelany ny lojy mainty maso na ny Black Eyes any amin'ny Faritra Boeny...

Fotoanan'ny fety isan-karazany izao : ny fetim-pirenena, ny fetin'ny ray, koa aoka iainana ny fifanajana mba hisian'ny fifankativana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...