♦ Isan'ny mampirongatra ny ady tany eto Madagasikara ny fitsarana miangatra sy mitanila hoy ny filohan'ny vaomiera misahana ny fananan-tany eny amin'ny antenimieram-pirenena Naivo Raholidinina. Andro faharoa amin'ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany ny androany... ♦ Nahitam-bokany ny ezaka nataon'ny mpitandro filaminana ao Fianarantsoa. Tratra ireo jiolahy nampahory ny vahoaka efa nokarohana nandritra ny herintaona... ♦ Nisokatra ny faha enin'ny volana jona teo ny taom-pihotazana sy fanangonana ary ny famarotana na anatiny na ivelany ny lojy mainty maso na ny Black Eyes any amin'ny Faritra Boeny...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...