Alakamisy 9 jona 2022 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26

Mitohy indray eto ny fampianaran’i Jesoa tany an-tendrombohitra ka ilazany amintsika hoe : "Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo". Tsy hoe marina amin’ny tena fotsiny fa marina amin’ny hafa ihany koa. Izany hoe : tsy mihanina fotsiny amin’ny lalàna fa manao mihoatra, mijery ny ambony kokoa. Tsy hoe tsy arahina ny lalàna fa misy ambony kokoa dia ny aina ka mila tandrovina fatratra io. Fa betsaka ny mety manohintohina na mety manimba na mety mahafaty azy mihitsy aza, na mivantana izany na ankolaka. Ny ankolaka moa toa homa-miadana mikiky tsikelikely raha tsy voatsabo ara-potoana. Kanefa io tena betsaka mihitsy. Eto izao mamono olona : tsy ny mamono mivantana ihany fa na ankolaka aza, toy ny teny na fihetsika, izany hoe manimba ny aina, ka mamotika azy miandalana dia efa mamono olona ihany koa. Mety ho betsaka lavitra aza no matin’izany ! Koa aoka isika hitandrina. Aleo tsy mifamono fa mifamelona. Mazava ny tenin’i Jesoa amintsika eto : "Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe : Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana…" Ny fahatezerana mety ho tonga kanefa tsarovy ny hoe : "Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza omena hirika ny demony." (Ef 4, 26-27)

Isan’ny itandrovana ny aina ny fihavanana sy ny fifankatiavana. Izany koa no hahalalana fa mpianatr’i Kristy isika, araka ny teniny (Jo 15, 17). Ambony io fihavanana io, noho ny fanatitra ho an’Andriamanitra aza. Satria tsy mety raha ny fihavanana amin’Andriamanitra atao mety tsara fa ny fihavanana amin’ny manodidina potehina sy hamavoina. Tsy afaka hifandrindra mihitsy izany. Aoka aloha hihavana sy hifankatia tsara tsy misy fihatsarambelatsihy mba ho voaray izay fanatitra tiana hatolotra Azy Ray. Samy mpivahiny isika ety an-tany, iray lalana, ka tsy aleo ve mihavana e ! Lalana iraisana ka nahoana no mifanary an-dalana, na mifanebaka na mifanabaty am-pitoerana. "Velona iray trano, maty iray fasana", hoy ny Ntaolo, fa miampy izany ho antsika kristianina dia hoe : "iray lanitra", izay no tanjona.

Samy kristianina ka nahoana no misy mifanaratsy sy mifanenjika na koa mifandrafy. Misy aza moa mpiray tampo tsy mifampiteny, tsy mifampiditra an-trano, tsy mifandevi-maty mihitsy aza ! Hoentina aiza izany fiavonavonana izany ? Aravony dieny ety an-dalam-pivahinianana izany rehetra izany. Trano be iombonana izao tontolo izao fa trano be tsy mialon-jafy kosa ny lanitra kanefa tsy idaram-pentina ; ka tandremo sao tsy tafiditra an-trano e, rehefa miala ety ! Trosa izany ka efao ety sao any ambadika any mbola arahin-trosa foana "fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany" hoy i Jesoa.

Aza miandry farany vao hihavana fa tsy misy mahalala ny ampitso, ny ho farany fa dieny izao. Aza miandry ny hafa manana alahelo aminao hanatona ianao fa tsara kokoa ianao no manatona voalohany, araka ny lazain’i Jesoa eto. Izao koa aloha : misy olona sarotra ihavanana mihitsy. Aza kivy ny amin’izany fa ento am-bavaka mandrakariva hibebahany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...