Fa nahoana ary no miatrika fahasarotana ny fihainoana? Ny diplômatin'ny fiketrahana masina anankiray, Kardinaly Casaroli, dia niresaka momba ny " martirin'ny faharetana" ilaina amin'ny fihainoana sy ny hohenoina amin'ny fifanarahana amin'ny olona tena sarotra iresahana mba hahazoana ny tsara araka izay tratra ao anatin'ny famerana ny fahafahana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alarobia 15 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18
♦ Miandry ny fanomezan-toky ny handinihan'ny fitondram-panjakana ny tolo-dalana momba ny fizakan-tenan'ny oniversite miankina amin'ny fanjakana, ny SECES Sampana Antananarivo, vao hiverina hanohy ny asa fampianarana sy ny fikarohana indray... ♦ Lalana mankany amin'ny Disitrikan'Ikongo : tsy mandroso intsony ny asa fipasohana ny lalana, hoy ny Solombavam-bahoaka Razafitsiandraofa Jean Brunel... ♦ Diso ny fiheverana nampitaina hatramin'izay fa fiaviana tokana no niandohan'ny Malagasy, raha ny angom-pikarohana eo am-pelatanan'ny Minsiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera...
♦ Tsy voatery hotanterahina ny fikaonandoham-pirenena vao hirosoana ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny antoko Humaniste Ecologiste. Nilaza ny avy amin'ity antoko ity fa tsy maintsy hirisoana ny amin'ny taona ho avy ny fifidianana... ♦ Mandeha ny feo fa ahiana ny hisian'ny fipoahana ara-tsôsialy aorian'ny fetim-pirenena. Efa misy ny paik'ady hiatrehana ny fitandroana ny filaminana, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Namoaka fanambaràna iraisana ny vondrona maromaro eto Madagasikara, ahitàna masoivoho vahiny maromaro. Fanambaràna manoloana ny famonoana an'i Henri Rakotoarisoa, filohan'ny Vondron'olona ifotony MIALO, misehatra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco