Zoma 17 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 19-23

♦ Natomboka androany tetsy amin'ny CCI Ivato ilay fikaonan-doham-pirenena momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hapetraka ny "Guichet agricole", hanampiana ny tantsaha mba ho afaka hisambo-bola, hoy ny Filoham-pirenena, raha nanokatra izany tamin'ny fomba ôfisialy... ♦ Hita faty androany tokony ho tamin'ny 2 ora maraina, ilay tovovavy 21 taona, nokarohana tany amin'ny Kaominina Sabotsy Anjiro Moramanga. Nanitsy ny fianakaviany fa famonoana no natao taminy fa tsy fakana an-keriny...

♦ Tanterahana ety amin'ny Foibe fandraisana fivoriana iraisam-pirenena na CCI Ivato, mandritra ny roa andro, ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nanokatra izany, androany maraina, ny Filoham-pirenena... ♦ Mitaraina ireo mpamokatra lavanila any amin'ny Faritra Diana, fa tsy voahaja ny vidin'ny lavanila maitso, 75000 Ariary ny kilao, izay noferan'ny fitondram-panjakana... ♦ Mampanantena ny tsy hisian'ny fahatapahan'ny herinaratra mandritra ny fetin'ny asaramanitra, ny ao amin'ny orinasa Jirama...

Alakamisy 16 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 7-15

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...