Alakamisy 16 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 7-15

Nambara tamintsika omaly fa hoe maneho ny maha isika antsika, olombelona harin-tanan'Andriamanitra, ny mifandray amin'Ilay Mpahary antsika. "Nohariany mba ho azy isika, ka tsy afaka ny tsy hifandray aminy". Anisan'ireny endri-pifandraisana ataontsika amin'Andriamanitra ireny ny vavaka. I Jesoa, Andriamanitra ivavahana sady lahimatoa amin'ny samy Zanak'Andriamanitra no mampianatra antsika mivavaka.

  • Vavaka iantsoana Ilay Ray, Andriamanitra nanangana antsika ho zanany mba hahatsapantsika ny toetrantsika tsirairay ao aminy sy hiainantsika ireo toe-piainana sy hatsaram-panahy araka an'Andriamanitra, hanajana ny anarany sy hahatonga ny fanjakany ao am-pontsika sy eo amin'izao tontolo izao.
  • Sy vavaka mampatoky antsika amin'ny fitiavany : fitiavana manome sakafo sahaza ny zanany, fitiavana mangoraka, miaro amin'ny ratsy sy ny mpisompatra.

Noho izany, aza atao antsirambina ny vavaka ataontsika fa ireny no :

  • Hifandraisantsika am-po lalina amin'Andriamanitra.
  • Mampahatsiahy sy manoro antsika koa ireo toetra sy hatsaram-panahy iainana amin'ny maha zanak'Andriamanitra.

Amin'izay dia ho tanteraka ilay fangatahantsika hoe : vavaka manova zavatra, manova fiainana, ary manamasina antsika tanteraka.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...