♦ Tsy voatery hotanterahina ny fikaonandoham-pirenena vao hirosoana ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny antoko Humaniste Ecologiste. Nilaza ny avy amin'ity antoko ity fa tsy maintsy hirisoana ny amin'ny taona ho avy ny fifidianana... ♦ Mandeha ny feo fa ahiana ny hisian'ny fipoahana ara-tsôsialy aorian'ny fetim-pirenena. Efa misy ny paik'ady hiatrehana ny fitandroana ny filaminana, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Namoaka fanambaràna iraisana ny vondrona maromaro eto Madagasikara, ahitàna masoivoho vahiny maromaro. Fanambaràna manoloana ny famonoana an'i Henri Rakotoarisoa, filohan'ny Vondron'olona ifotony MIALO, misehatra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...