Alatsinainy 11 jolay 2022 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 34 — 11, 1
10 jolay — Ulrich roa no horesahantsika esto. Ny voalohany dia taranaka andriana allemand. Mpiandraiki-draharahan’ny impératrice germanique Agnès d’Aquitaine, vadin’i Henri III. Avy eo moa izy niditra tao amin’ny fikambanana bénédictin ka nankany Cluny ary tao no nahafantarany an’i Masindahy Hugues, lehiben’ny fikambanana clunisien.
Ny olona dia tsy feno raha toa ka misy banga ny iray amin'ny : vatana, saina, fanahy. Ny saina sy ny fanahy no mitondra amin'ny fahatsapantena "Conscience" mba hahay hamehy ny tena amin'ny fakana arena tsy an-drariny, fanangonan-karena, tsy fitsinjovana ny hafa, ny tsy fifehezana ny sitrapo. Ireo no tonga amin'ny tsy fahalalana onina, midika koa fa tsy miaina fitiavana. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alahady 10 jolay 2022 — Alahady fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 25-37
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco