Alatsinainy 11 jolay 2022 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 34 — 11, 1

Ry kristianina havana, ity andalan-tSoratra Masina ity dia famaranana ny lahatenin’i Jesoa momba ny fanirahana. Miteny hevi-dehibe roa i Jesoa : ny fepetra ho an’izay ho mpianany sy ny valisoa ho an’ireo izay mandray ireo nirahiny. Ny andalany faha-34-35 dia mampiseho ny fahasarotana miandry ireo mpianany eo anivon’izao tontolo izao. Izy ireo izay namporisihin’i Jesoa hitondra fiadanana (5, 9), hamela heloka (6, 14-15), hampihavana (5, 21-26), halemy fanahy (5, 38-42), ho tia na dia ny fahavalo aza kanefa araka ny nolazain’i Jesoa toa ny mifanohitra amin’izany no hitranga.

Ireo ray aman-dreny izay tsy manaiky ny fampianaran’ireo mpitondra ny Vaovao Mahafaly dia miteraka fisarahana (izay ilay hevitry ny sabatra) fa tsy fiadanana, toy izany koa no hiseho na dia amin’ireo akaiky aza, tapaka koa ny fifandraisana. Ka mahatonga ny fanontaniana hoe inona ary no ilaina ny hahatongavana ho mpianany ?

Ny tenin’i Jesoa isan’andro anefa dia mitaky safidy matotra amintsika mpanara-dia azy : "Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho izaho, dia tsy mendrika ahy" ; mitaky isan’andro fandraisana anjara amin’ny fiafaran’ny fiainany : "Izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka ahy dia tsy mendrika ahy". Ny maha-kristianina dia mitaky ny fahafoizana ny aina, vy very aina aza mba hamonjena azy. Izany àry ny fampianaran’i Jesoa amintsika.

Kanefa ny fanantenana dia tsy maintsy mitoetra mandrakariva amin’ny mpianany. Misy foana ireo izay tsara sitrapo mandray ireo irahin’i Jesoa tahaka ny mpaminany ; izany hoe tahaka ny olona iray izay miteny amin’ny anaran’Andriamanitra ; na koa tahaka ny "marina" izany hoe tahaka ny olona iray izay manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ; na fotsiny hoe "mpianatra" satria "madinika".

Mba ho tena mpanara-dia na ho mpianatr’i Jesoa dia ireo ny fepetra : olona sahy manambara ny fahamarinan’Andriamanitra, sahy maty sy hitondra ny hazofijaliana amin’ny fifanoherana hisy entin’ny Vaovao Mahafaly, sahy mandeha irery na dia misaraka amin’ireo izay akaiky aza noho ny fiainana sy fijoroana ny maha-mpianatr’i Kristy.

I Jesoa kosa dia mampanantena fa na iza na iza mandray ireo mpianany dia tsy ho very valisoa na dia fanehoana fihetsika tsotra feno hatsaram-panahy fotsiny aza, toy ny fanomezana rano hosotroin’izy ireo. Izany ny fanantenana ho an’ireo mpianany, na dia eo aza ireo zavatra manahirana samihafa satria tsara kokoa noho ny mpampianatra ny ny manjo azy ireo fa i Kristy ilay naniraka aza dia nilaozan’ireo namany.

Ry Ray ô, mba omeo ny vahoakanao izay manara-dia ny zanakao ny fahasoavana ilaina amin’ny maha-kristianina azy ka ho famantarana velona ny voninahitrao izy ireo. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...