Alahady 10 jolay 2022 — Alahady fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 25-37

Ry kristianina havana, ny Vaovao Mahafaly izay aroson’ny Eglizy amin’ity alahady ity dia mifantoka amin’ny fanontanian’ilay mpampiana-dalana tamin’i Jesoa : “Inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay ?” Nolazain’ny Evanjely fa naka fanahy an’i Jesoa izy, izany hoe amin’ny maha mpampianatra azy dia olona manana fahalalana ny Soratra Masina fa te hitsapa ny torolalana avy amin’i Jesoa. Mazava àry fa ho an’ny mpanontany dia hitsara izy rahefa avy nanontany na hanome fahamarinana ilay mpanome valiny na handiso azy.

Iza moa isika olombelona manoloana an’Andriamanitra ka handeha haka fanahy azy na hitsapa ny fahendreny lehibe lavitra loatra ? Fitiavana mandrakizay Andriamanitra ary tsy mivadika mandrakizay amin’izany toetrany lavorary izany Izy. Ampy ho antsika olombelona ny mitoky aminy. Fahendrena ny manontany an’i Jesoa ny hahazoantsika ny fiainana mandrakizay rahampitso.

Inona moa ity fiainana mandrakizay ity ? Ity ilay fiainan-tsambatra lavorary, fiaraha-mitoetra amin’ilay Andriamanitra fitiavana, fiainam-piadanana tsy misy fanirian’olombelona intsony, tsy misy tebiteby na fahoriana intsony. Fiainana ibanjinana an’Andriamanitra sy itsaohana azy miaraka amin’ny olomasina sy ny anjely ary ny arakanjely. Ity fiainana ity, natao ho an’izay nitsangan-ko velona. Noho izany mialoha an’ity fiainana mandrakizay ity dia misy ny fitsarana antsika olombelona : na handeha any amin’ny afobe na handeha any amin’ny afo fandiovana na mivantana avy hatrany any an-danitra.

Ny valin-tenin’i Jesoa dia tsotra, namerina Izy ny hitandremana ny didim-pitiavana : fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Ity andro anio ity àry no hamerenan’ny Fiangonana sy hampahatsiahivana amintsika tsirairay fa raha te hahazo izany fiainana mandrakizay izany dia mila mitandrina ilay didim-pitiavana. Tsy afaka hiara-mitoetra amin’Andriamanitra, izay tsy mahay mitia sy niezaka nianatra nitia. Noho izany indrindra i Jesoa nanome ohatra antsika an’ity Samaritanina ity amin’ny fitiavana.

Ity ilay antsointsika hoe Samaritanina tsara fanahy : Nitia izy, tsy nandalo fotsiny, ny fitiavany tsy voafehin’ny lalàn’ny fiaraha-monina intsony, sao voaloto na voafehy ny fifandraisana ara-piaviana fa ny fitiavana dia tsy manavaka izay ifandraisana. Nahafoy fotoana, nahafoy vola hanampiana sy hamonjena ny namana. Ny fitiavana an’Andriamanitra dia tsy misaraka amin’ny fitiavana ny olombelona sy izay rehetra nohariany, tsy misaraka amin’ny fitiavana ny fikolokoloana ity tranobe iombonantsika ity. Ary hoy i Jesoa : mandehana manaova toy izany koa fa ho velona ianao.

Ry Jesoa zokinay ô, maniry ny te-hahazo ny fiainana mandrakizay izahay ka ampio sy ankaherezo haka tahaka anao hiaina ny tena fitiavana marina isan’andro ka tsy ho diso anjara amin’ny fiaraha-mitoetra miaraka aminao any an-danitra. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...