♦ Nampidi-bola 2800 miliara Ariary mahery, ho antsika Malagasy, ny fanondranana ny vokatry ny harena an-kibon'ny tany tamin'ny taona 2019... ♦ Hampahafantarina ny vahoaka Malagasy amin'ny fomba mangarahara ny andraikitra sy ny tontolo rehetra mahakasika ny Tahirim-bolam-panjakana, anatin'ny fanombohana ny fanamarihana ny faha-60 taonany... ♦ Niakatra nanomboka androany ny saran-dalana amin'ny fitateram-bahoaka eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Saika nampihatra ny fampitomboana 100 Ariary avokoa ny ankamaroany...

♦ Nihatra nanomboka ny maraina teo ny saran-dalana 600 Ariary ao an-drenivohitra sy ny fiakarana 100Ariary ho an'ny zotra manodidina. Efa niroso tamin'izany avokoa ny ankamaroan'ny zotra rehetra, taorian'ny hevitra tapaka, omaly... ♦ Milaza fa mahita firenena vahiny vonona hamatsy solika an'i Madagasikara amin'ny vidiny mirary ny antoko Otrikafo. Miankina amin'ny finiavana politikan'ny mpitondra hiala amin'ny gejan'ireo kaompanian-tsolika misy eto amintsika no hahatanteraka izany, hoy izy ireo... ♦ Mitaraina amin'ny fitondram-panjakàna ireo fokonolona any Ambalalova-Avaratra, Ambalavao-Tsienimparihy. Alain'olom-bitsy ny tanin'izy ireo 8 ha, araka ny fitarainan'ny solontenam-pokonolona tonga aty an-drenivohitra...

♦ Namoaka fanambaràna ny antoko MMM, manoloana ny fivoaran'ny toe-draharaham-pirenena. Manana zo haneho hevitra an-kalalahana ny vahoaka, nefa tsy azo ekena ny fihoaram-pefy, hoy ny fanambaràna... ♦ Tovolahy iray no nidoboka am-ponja rehefa nosamborina teny amin'ny By-Pass tamin'ny fandalovan'ny fiara nitondra ny filoham-pirenena. Nanao fihetsika nanondro ambany ny ankihiben-tanany no voalaza fa nisamborana azy...  ♦ Tsy hita ary mbola karohina hatramin'izao ny zanaky ny solombavambahoakan'i Mahabo, tokony niatrika famotorana azy tao Morondava ny herinandro teo. Voatonona anarana tamin'ny fiarahana tamin'i Soja, ilay dahalo raindahiny tany Mahabo izy...

Maro ny olana manosika ny olona hanao dokotera-tena. Ireny olana ireny no vahana dia hafaona ny fanaovana dokotera-tena. Ny tsy fisian'ny foto-drafitrasa dia ny ministera no mamaha azy. Ny olana amin'ny fomba fandraisana ny marary dia ny mpitsabo tsirairay no mila manaraka fitsipi-pitondrantena tsara. Ny olona tsirairay dia mila manao ezaka mba tsy hatongavana amin'ny fanaovana dokotera-tena, izany hoe manao ezaka mba ho salama lalandava.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...