♦ Nampidi-bola 2 800 miliara Ariary mahery ho antsika Malagasy ny fanondranana ny vokatry ny harena an-kibon'ny tany ho an'ny taona 2019... ♦ Tsy rariny raha ny karana no manjakazaka amin'ny tanin'ny Malagasy, izay ananana taratasy mazava, hoy ireo mponina eny amin'ny Fokontany Morarano-Alarobia, izay nisian'ny fandravana fiangonana omaly... ♦ Ny 66% amin'ny tanjona napetraka amin'ny fambolen-kazo tamin'ity taona 2022 ity no vita ankehitriny...
13 jolay — I Henri dia teraka tamin’ny taona 973 tao Abbach tamin’ny fotoana nahalasanan’i dadatoany Othon le Grand mpanorina Saint-Empire Romain Germanique. Lahy matoa amin’ny zaza efatra naterak’i Henri le Querelleur, duc de Bavière sy i Gisèle de Bourgogne vehivavy hendry sy tia vavaka.
Ny andry voalohany mampijoro ny tena atao hoe rariny sy hitsiny dia ny "tena zava-misy" marina. Izany hoe tsy tokony ho lavina fa tena misy tokoa ireo olom-bitsy izay azo lazaina fa manontany ny ory ary ireo olona tsy mitsaha-mitombo isa tsy manana ny hasina maha-olona azy. Ny andry faharoa dia ny fitaovana na ny fahafahana. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alarobia 13 jolay 2022 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 11, 25-27
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco