Alakamisy 11 aogositra 2022 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 21 — 19, 1
♦ Feno 31 taona androany ilay raharaha fitifirana vahoaka teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, Tokony haka lesona tamin'ny zava-nisy nahatonga ny 10 aogositra ny fitondrana, hoy ny antoko MFM... ♦ 3% isan-taona ny tahan'ny fitomboan'ny mponina eto Madagasikara, araka ilay fanadihadiana fanisam-bahoaka sy toeram-ponenana andiany fahatelo, nataon'ny INSTAT... ♦ Tafakatra amin'ny ankatoky ny famaranan'ny Afrobasket latsaky ny 18 taona, ny ekipam-pirenena malagasy lahy sy vavy...
♦ Tsy ankasitrahan'ny VMF na ny Vondron'olona Miaro ny Fitondrana ny hanaovana ny fikaonan-doham-pirenena eto Madagasikara. Milamina ny eto Madagasikara ka tsy hitan'izy ireo ny antony hanaovana izany... ♦ Hiteraka olana vaovao eo amin'ny fandraharahana ny sehatry ny lavanila ny nameran'ny fanjakàna ny vidin'ny lavanila masaka ho 500.000 Ariary/kg hoy ny K.M.T.A na Kômity Miaro ny Tombontsoan'Antalaha ivondronan'ny Mpisehatra lavanila rehetra any an-toerana... ♦ Hiakatra kianja, hiatrika ny lalao ampaha-efa-dalana amin'ny Afrobasket U18, fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika Basket-Ball, anio indray ny ekipam-pirenena malagasy lahy sy vavy. Hihaona amin'ny Guinéen, ny Ankoay lehilahy, ary Tanzaniane ho an'ny vehivavy...
♦ Nankasitraka ny Nonce Apostolique, Mgr Paolo Rocco Gualteri, Solontenan'ny Papa teto Madagasikara ny Fivondronamben'ny Eveka. Handao tsy ho ela an'i Madagasikara izy ary voatendry hiasa any Pérou indray... ♦ Nisokatra omaly tany Mahajanga ny Zaikabe faha-21 ho an'ny FKTLM na ny Firaisan'ny Kristiana Tanora Loteriana Malagasy. Nanantrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny filoham-pirenena mivady... ♦ Feno 31 taona androany ny diaben'ny fahafahana niainga teny Analakely nihazo ny lapam-panjakàna Iavoloha... ♦ Fifandonana any Gaza, palestina 3 no maty omaly vokatry ny fanafihana nataon'ny tafika israeliana tao Naplouse ao Cisjordanie...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco