♦ Misedra olana amin'ny fanarahana fianarana ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara araka ny fanadihadiana nataon'ny Instat. Ny 42% amin'izy ireo no tsy tafiditra an-tsekoly... ♦ Lesoka amin'ny fizahan-tany amin'ny faritra sasany eto Madagasikara ny tsy fivoarana amin'ny tolotra omena ny mpizaha-tany hifanaraka amin'ny filàn'ny vaninandro ankehitriny... ♦ Hanao ny lalao manasa-dalana amin'ny Afrobasket latsaky ny 18 taona ny Ankoay sokajy vehivavy anio. Hihaona amin'ny ekipam-pirenena ejipsiana ao amin'ny kianjan'i Vatofotsy-Antsirabe izy ireo anio tolakandro... ♦ Nanambara ny filoha korena tavaratra Kim Jong Un fa naharesy ny valan'aretina Covid19 izy ireo...
♦ Feno 31 taona omaly ny 10 aogositra 1991, diaben'ny fahafahana niainga teo amin'ny kianjan'ny 13 mey nankeny Iavoloha niafara tamin'ny rà nandrika. Tokony haka lesona tamin'ny zava-nisy nahatonga ny 10 aogositra ny fitondrana, hoy ny antoko MFM... ♦ 3% isan-taona ny taham-pitombon'ny mponina eto Madagasikara, araky ny fanadihadiana fanisam-bahoaka sy toeram-ponenana andiany fahatelo. Nampahafantarin'ny Instat tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny vokatr'izany... ♦ Tafiakatra amin'ny ankatoky ny famaranan'ny Afrobasket latsaky ny 18 taona ny ekipam-pirenena malagasy lahy sy vavy... ♦ Mitsidika aty Afrika ny lehiben'ny diplomasia amerikana. Taorian'ny tany RDC, hiazo an'i Rwanda Andriamatoa Antonny Bliken...
11 aogositra — Teraka tamin’ny 16 jolay 1194 tao Assise i Claire. Zanak’olona manam-boninahitra sy manan-katao fanta-daza tao an-tanana izy. Voaroaka tao an-tanana izy ireo tamin’ny taona 1198 ka nialokaloka tany amin’ny tranon’ny ray aman-dreniny ihany.
Fanekena sy fanaovana izay heverina ho marina no atao hoe finoana. Ara-panahy dia fandraisana sy fanekena amim-pahatokiana an'Andriamanitra sy ny teniny ary ny fitondrany sy ny fampanantenany : tsy hitan'ny maso, tsy takatry ny saina nefa tsapa fa misy sy marina. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco