♦ Hanomboka anio ny fivoriana ara-potoana faharoan'ireo Antenimeira mpanao lalana eto amintsika. Andrasana horesahana mandritra izany ireo fandikan-dalana nataon'ny Solombavam-bahoaka tato ho ato... ♦ Niodina nanomboka ny maraina teo ny milina vaovao fahefatra mpihary herinaratry ny Jirama, any Andekaleka. Nitombo ho 90 Megawatts amin'izao ny vaikan'aratra avoakan'ny toby famokarana any an-toerana... ♦ Lohan'olona maherin'ny folo no mbola tsy hita hatramin'izao any Belo-sur-Tsiribihina, tao aorian'ny fanapahan-doha misesisesy...
18 ôktôbra — Tamin'ny taonjato voalohany i Luc no niaina, Syrien izy ary teraka tao Antioche. Misy milaza fa mpanompo sampy i Luc, nefa ny tahirin-kevitra sasany milaza fa nanaraka ny fombam-pivavahana jody izy. Mpitsabo no asany, fa nana-talenta tamin'ny hoso-doko ihany koa.
Nanolotra ny tenany ho fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra i Masina Maria : ""inty aho ankizivavin'ny Tompo, hoy izy...". Ny fanekena ny sitrapon'Andriamanitra dia vokatry ny finoana. Evanjely velona ny fianakaviana satria samy manolo-tena ho fanantanterahana ny sitrapon'Andriamanitra. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Talata 18 ôktôbra 2022 — Masindahy Lioka, evanjelistra — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 1-9
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco