Ny toerana misy ny voa : ao ambadiky ny kibo, amin'ny ilany avia sy havanan'ny hazon-damosina. Miisa roa ny voa amin'ny ankapobeny fa misy ihany ny olona tsy manana afatsy iray, anefa mahavita ny asany tsara ihany io taova io. Ny asan'ny voa : manivana ny singa entin'ny ra, mandanjalanja ny filàna rano, mitazona ireo mineraly ilain'ny vatana, mandanjalanja ny asidra ilain'ny vatana, mamokatra hormnonina. Fambar'aretina : mipipi ra, mandroatra ny pipi, mahatsiaro reraka, manaintaina ny faritry ny kibo na ny lamosina, marary ny vanin-taolana, te hivalan-drano matetika...
♦ Ny haba tokony hiditra amin'ny Ravinala Airports sy ny Aviation civile de Madagascar izao, no ampiasaina hampandeha ny Madagascar Airlines. Atahorana tsy hanam-bola intsony noho izany ny ACM, toy izany koa ny ADEMA, hoy ny ministry ny fitanterana... ♦ Ho fantatra amin'ny talata ho avy izao ny vokatry ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana, nataon'ny INSTAT... ♦ Nilentika ny tsenan'ny fanafarana sy fivarotana fiara eto Madagasikara, noho ny krizy nateraky ny Covid-19. Harenina izany, ka hiverina ny Salon de l'Auto, raha efa 3 taona izay no tsy nisiany... ♦ Nahafatesana olona miisa 4, ankizy ny 2 tamin'ireo, ny daroka baomba nataon'ny tafika etiopiana, tany amin'ny faritanin'i Tigré omaly...
♦ Olona 2 no efa voasambotra amin'ny fikasana hanondrana antsokosoko volamena 17kg mahery tany Dubai, afak'omaly... ♦ Azo tanterahina eto amintsika manomboka izao ny fitiliana ny tsimok'aretina mahatonga ny Fièvre de la Vallé du Rift. Nomena ny fitaovana ahafahana manao izany ny Laboratoram-pirenena fitiliana ny aretin'ny biby... ♦ Tsy manamarina ny filazàna fisiana fivoahana laza adina, mialoha ny fanadinana ho mpianatra ho mpitsara mihitsy, ilay hosoka tratra afak'omaly hoy ny tale jeneralin'ny ENMG... ♦ Taranja baolina lavalava : Herinandro mialoha ny tokony hiaingan'ny Maki Vehivavy hiatrika ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany any Afrika-atsimo, tsy mbola tomombana ny vola ho enti-manana...
27 aogositra — Teraka tao Thagaste tamin’ny taona 331 i Masimbavy Monique. I Thagaste moa dia ilay antsoina hoe Souk Ahras ao Algerie amin’izao fotoana izao. Ary nodimandry tao Ostie i Monique ny taona 390.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco