♦ Miantso ny tanora hiaro ny vatana izay tempolin'Andriamanitra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny hafatra nataon'izy ireo ho an'ny tanora. Tsy tokony avadika ho fasana noho ny fanalan-jaza ny vatana hoy ny Eveka. Nifarana omaly ny JMJ Mada-x... ♦ Nanomboka androany ny taom-pianarana 2022-2023 eto Madagasikara. Mizara dimy ny taom-pianarana, elanelan'ny fotoana fialan-tsasatra... ♦ Azo nosorohana tsara ny savorovoro niafara tamin'ny tifitra nahafatesana olona maro tao Ikongo, hoy ny Printsy avy any an-toerana, sady mpanorina ny fikambanan'ny Zanak'Antanala eto Antananarivo, Andriamatoa Zama Johanesa...

♦ Nifarana omaly ny andro eran-tany ho an'ny tanora na ny JMJ Mada andiany faha-10 notanterahana tao Antsirabe... Any amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina indray ny JMJ manaraka amin'ny taona 2026... ♦ Velom-panantenana amin'ny ho avy ny Eglizy hoy ny Eveka malagasy mahita tanora votom-pinoana, saha maneho amin'ny fomba mendrika ny maha vavolombelon'i Kristy ao anatin'ny hatanorana. Miantso ny tanora handray andraikitra amin'ny fiaraha-monina ny fivondronamben'ny Eveka... ♦ Valan'aretina Covid-19, nahitàna tranga vaovao miisa 14 ny fitiliana natao nandritra ny herinandro farany. Eto amin'ny Faritra Analamanga avokoa ny 12 amin'ireo. Tsy nisy ny lavon'ny aretina...

05 septambra — Zanaky ny mpisoron’ny Tamieh tao Fayoum, tany amin’ny sisin-tanin’i Lybie i Raïssa. Roapolo taona izy tamin’ny fotoana nanjakan’i Dioclétien. Resy lahatra io amperora sy ny mpiara-miasa aminy fa hamotika ny fivavahana kristianina.

Ny tantsoroka sy ny kolom-panahy dia fanentanana hataon'ny fiangonana amin'ny alalan'ny katesizy mikasika ny fianakaviana. Maro ny loha-hevitra mikasika ny fiankaviana no horesahina amin'izao fandaharana izao ary hametrahana ny tanjona hikolokoloina ny fiainam-pianakaviana ara-panahy. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'ny pretran'i fiangonana.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...