♦ An-dalana mihazo an'Antsahatanteraka amin'ny alalan'ny diabe mivavaka hiatrika ny alim-bavaka anio ireo tanora mpivahiny amin'ny JMJ Mada andiany faha-10 tanterahana ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Fanadihadiana nataon'ny iraky ny RDB momba ny fizotran'ny JMJ... ♦ Nanomboka tamin'ny fomba ôfisialy tao Manakara renivohitry ny Faritra Fitovinany ny voalohan'ny volana septambra teo ny hetsika nasiônaly fanomezana kara-panondrom-pirenena sy Kopia nahaterahana ho an'ny olom-pirenena feno 18 taona no miakatra... ♦ Handray anjara amin'ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany amin'ny baolina lavalava lalaovin'olona fito atsy Afrika-Atsimo ny Maky vehivavy. Anio alina no hanainga ho atsy Cape-Town izy ireo...
♦ Miditra amin'ny andro fahaefatra amin'ny JMJ Mada andiany faha-10 anio ireo mpivahiny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Notanterahana omaly ny fibanjinana ny fijalian'i Jesoa Kristy... ♦ Handray anjara amin'ny CHAN 2023 hatao any Algerie i Madagasikara. Nisaraka ady sahala iray noho iray, teny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina omaly ny Berean'i Madagasikara sy ny ekipam-pirenena Botshwané... ♦ Hampiroborobo ny voly vary "riz hybride" amin'ny faritra 16 eto amin'ny nosy ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny Orinasa STOI... ♦ Hotanterahana anio ny fandevenana an'i Mickaïl Gorbatchev. Tsy hanatrika izany ny filoha rosiana Vladmir Poutine...
03 septambra — Tokony ho tamin’ny taona 540 no teraka tao Roma i Grégoire, andriana ny fianakaviany, zafiafin’ny papa Felix III izy. I Gordien sy Sylvie no ray aman-dreniny ary mpitoka-monina ny anabavin-drainy, toa an-dry Tharsule sy ry Emilienne izany.
Sabotsy 3 septambra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 1-5
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco