Ireo Lahika no tompon’antoka voalohany amin’ny fampivoarana sy fampandrosoana ny firenena. Koa ilaina ny firotsahan’ny olona tsirairay, indrindra isika kristianina, na iza na iza, mba hifarimbona sy hifanasoa ary hifanome tanana. Hentitra ny fampianaran’ny Fiangonana momba io fampandrosoana sy ny fivoarana ary ny fiadanana sy fandriampahalemana io. Tsy ireo mpitondra ao amin’ny Fiangonana sy ny Firenena irery akory no tena ifaharan’izany fa ny olona tsirairay avy, izay samy manana ny andraikiny avy, ka samy manao izay ho afany am-pahatsorana sy am-pitiavana.

Noho izany, mila fanabeazana sy famolavolana ny toe-po amam-panahy, ny foto-pisainana sy ny fitondran-tena, hamongorana ny ratsy isankarazany, indrindra ny kolikoly sy ny fangalarana amin’ny fomba maro samihafa. Tsy mety raha ny vola no atao loha-laharana, fa fanompoantsampy izany, fa ny fitandrovana ny AINA sy ny Fihavanana ary ny Fiombonana no tsy maintsy omentsika ny fizokiana sy tombony bebe kokoa hatrany. Koa alao hery àry ry mpiray Firenena fa "izay be no basy" ary "ny akanga maro tsy vakin’amboa", satria ny asa no mamelona sy mamorona ireo vakoka sy harena isankarazany, sady "ny firaisan-kina no hery" afaka miantoka ny tena fampandrosoana fa tsy ny vola velively izay matetika no toa ratsy tantana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...