Ny Sakramenta : maro no hevitra fonosiny indrindra ny misterin'ny Sakramentan'ny Batemy sy ny fampianarana mifandraika aminy. Avy amin'ny teny latinina hoe " sacramentum" izy io, midika hoe fandraisana an-tanana na raha amin'ny teny frantsay izy dia hoe " engagement". Ny teny grika dia mandika azy hoe "mysterion" midika hoe mistery. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
Alarobia 23 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 12-19
♦ Hanatontosa ny fivoriam-be ara-potoana fanaony ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny 23 sy 24 nôvambra 2022... ♦ Niroso nandinika ny volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana 2023 androany tolakandro, ny vaomiera manokana misahana izany, teny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Misy ny atrikasa hamaritan'i Madagasikara ny drafitrasany iadiana amin'ireo karazana fitaovam-piadiana nokleary, biôlôjika ary simika...
♦ Andrasana ny fehin-kevitry ny FFKM momba ny raharaham-pirenena, indrindra ilay resaka "fanorenam-pirenena". Anisan'ny hodinihina izany mandritra ny kômity foiben'ny FFKM hatao any Ambatondrazaka manomboka rahampitso... ♦ Mbola mikatso eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny fanenjehana ireo olona ambony tokony hiatrika fitsaràna eo anivon'ny HCJ. Ny tsy fahampian'ny fetr'isan'ireo solombavambahoaka tonga mivory tokony hanapaka izany ny olana... ♦ Olona 84 no voasambotry ny Pôlisy ao an-drenivohitra tao anatin'ny herinandro, noho ireo asa ratsy samihafa. Nisy ny hetsika manokana natao nahazoana izao vokatra ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana izao...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco