Alatsinainy 16 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 18-22

Nanana anjara toerana teo amin’ny fiainan’ny Jody ny fifandian-kanina. Fanaon’izy ireo ny mifady hanina sy fisotroana tanteraka na koa amin’ny ampahany ihany, eny fa ny fifadiana ny firaisana ara-nofo ihany koa aza. Tafiditra ao anatin’ny fanaovana asa fivalozana sy mandritra ny vanim-potoan’ny fisaonana izany. Mety ho andro iray ny faharetany fa afaka ampitomboina ho efatra andro, arakaraka ny zava-mitranga. Fa misy kosa anefa fangatahana manokana noho ny filana eo amin’ny firenena, toy ny ranon’orana, loza mitatao, fahirano ataon’ny fahavalo ny tanàna. Notohizin’ny Farisianina sy ny mpianatr’i Joany Batista izany, fa hafa kosa ny fiheveran’ny mpianatr’i Kristy azy io sy lanjany taty aoriana, satria Izy no fototra, Izy no antony anaovana ny fifadian-kanina na tsia. Tokony hiteraka hafaliana mandrakariva, fa tsy alahelo ny fiarahana amin’i Jesoa Kristy ; fa tsy maintsy hifady hanina kosa isika rehefa tonga ny fotoana handaozany antsika ; hahatsiarovantsika ny fijaliana niaretany ho famonjena antsika mpanota.

Fijery vaovao no hanasana antsika kristianina manoloana ny fifadian-kanina sy fisotro eto. Fijery vaovao izay miompana indrindra amin’ny fanantenana sy fifampitsimbinana : Mifady hanina sy fisotro isika satria miambina amin-panantenana sy am-pinoana ny fiavian’ny Tompo fanindroany ; fa mifady hanina sy fisotro ihany koa isika hahafahantsika manatona sy manampy ireo sahirana ara-pivelomana.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...