♦ Tsy afaka manao famoriam-bahoaka an-kalamanjana manomboka izao ny mpanao pôlitika araka ny fepetra avy amin'ny Ministeran'ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Tsy maintsy anaty efitrano no hanaovan'ny solombavambahoaka ny tatitra ho an'ny vahoaka... ♦ Hanomboka hanome fahazoan-dalana mitrandraka harena an-kibon'ny tany ny Ministeran'ny Harena an-kibon'ny Tany. Fanomezana fahazoan-dalana nihato nanomboka ny 20 jona 2010... ♦ Mijanona manan-kery hatrany ny fahazoan-dalana momba ny tontolo iainana ho an'ny orinasa voakasik'izany nomen'ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana. Misy ny fitohizan'ny fitantanan-draharaham-panjakàna hoy Andriamatoa Rija Rakotoson...
♦ Nifarana omaly ny fihaonambe dingana voalohany nataon'ny FFKM teto an-drenivohitra. Miantso ny fampitsaharana ny fifampihantsiana izy ireo hoy ny filohany, ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi... ♦ Nahemotra iray andro ny famaranana vonjy maika ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Efa manomboka nefa ny fanontana printy ny lisitra mba ahafahan'ny olom-pirenena manamarina izany eny anivon'ny Fokontany aorian'ny fikatonana vonjy maika... ♦ Nanao fanambarana ny Ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Tokely Justin fa tsy azo ny mpanao pôlitika atao ny mamory olona ankamanjàna. Tsy maintsy atao anaty efitrano manomboka izao ny famoriam-bahoaka ataon'izy ireo...
Mitranga ho azy ny olana eo amin'ny fiaraha-monina vokatry ny fahatrana sy ny ady ary ny raharaha ara-politika, eo koa ny fanalalahana. Rehefa ao anaty fahantrana ny olona dia noana, tsy afaka miasa ka manaiky ny fizahozahoana sy ny fanararaotrana. Ny fiaraha-monina dia voajanahary ka mila miara-misalahy mba hitovy lenta ny be sy ny maro. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Sabotsy 1 aprily 2023 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 45-56)
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco