♦ Nifarana omaly ny fihaonambe dingana voalohany nataon'ny FFKM teto an-drenivohitra. Miantso ny fampitsaharana ny fifampihantsiana izy ireo hoy ny filohany, ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi... ♦ Nahemotra iray andro ny famaranana vonjy maika ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Efa manomboka nefa ny fanontana printy ny lisitra mba ahafahan'ny olom-pirenena manamarina izany eny anivon'ny Fokontany aorian'ny fikatonana vonjy maika... ♦ Nanao fanambarana ny Ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Tokely Justin fa tsy azo ny mpanao pôlitika atao ny mamory olona ankamanjàna. Tsy maintsy atao anaty efitrano manomboka izao ny famoriam-bahoaka ataon'izy ireo...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...