Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 37, 21-28)

Ataoko firenena iray ihany eo amin’ny tany izy ireo.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:

“Indro halaiko any amin’ny firenena nalehany, ny zanak’i Israely;
hangoniko avy any rehetra any izy,
dia hoentiko miverina eo amin’ny taniny.
Hataoko firenena iray ihany eo amin’ny tany,
eo ambonin’ny tendrombohitr’i Israely izy;
mpanjaka iray ihany no hanjaka amin’izy rehetra;
tsy ho firenena roa intsony izy,
na tafasaraka ho fanjakana roa.
Tsy handoto tena intsony izy, na amin’ny sampiny,
na amin’ny fahavetavetany, na amin’ny hadisoany rehetra,
hovonjeko ho afaka amin’ny fiodinany rehetra nanotany izy,
ary hodioviko;
izy ireo ho vahoakako, ary Izaho ho Andriamanitr’izy ireo!
I Davida mpanompoko no ho Mpanjakany
ary izy rehetra hiray mpiandry, hanaraka ny fitsipiko,
hitandrina ny didiko, ary hanaraka izany.
Honina eo amin’ny tany nomeko an’i Jakôba mpanompoko
sy nonenan’ny razany izy ireo;
dia honina eo izy mbamin’ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrakizay,
ary i Davida mpanompoko no ho filohany mandrakizay.
Sady hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo Aho,
ka ho fanekena aminy mandrakizay izany;
ary Izaho hanorina azy, hampitombo azy,
ary hanangana ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
Ny fonenako, ho eo ambonin’izy ireo.
Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho vahoakako.
Dia ho fantatry ny firenena fa Tompo Aho manamasina an’i Israely,
rahefa eo aminy mandrakizay ny fitoerako masina.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

(Jer. 31, 10. 11-12ab. 13)

Hiambina antsika toy ny mpiandry ondry miandry ny ondriny ny Tompo.

Henoy ny tenin’ny Tompo, ry firenena,
ka ambarao an’ireo nosy any lavitra!
Ilay nampiely an’i Israely dia hanangona,
ary ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny.

Eny, ny Tompo hanafaka an’i Jakôba,
sy hanavotra azy amin’ny tanan’ny mahery noho izy
ka ho avy amina hobin-kafaliana izy ireo
eny amin’ny havoan’i Siôna.

Amin’izay ny tovovavy dia hifaly amin-dihy;
ny tovolahy, ny zokiolona koa dia hitavana.
Ny fisaonany hampodìko ho haravoana,
hafaliana no hatambiko ny fahoriany.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 45-56)

Ho faty i Jesoa mba hamory ho antokony iray ny zanak’Andriamanitra izay efa niely.

Tamin’izany andro izany,
maro tamin’ny Jody izay tonga tao amin’i Maria sy i Marta
sy nahita ny nataon’i Jesoa no nino Azy.
Fa ny sasany tamin’izy ireo kosa
dia lasa nankany amin’ny Farisianina,
ka nilaza taminy izay nataon’i Jesoa.
Dia namory ny mpanolo-tsaina ny lehiben’ny mpisorona
sy ny Farisianina ka nanao hoe:

“Inona ity ataontsika,
fa manao fahagagana maro iny Lehilahy iny?
Raha avelantsika hanao ihany Izy,
dia hino Azy ny olona rehetra,
ka ho avy ny Rômanina dia haka ny tanànantsika
sy ny firenentsika.”

Dia hoy ny anankiray tamin’izy ireo atao hoe Kaifa,
izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany fotoana izany:

“Tsy mahalala na inona na inona ianareo,
na tsy mihevitra akory fa tsara ho anareo
raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray,
mba tsy ho rava ny firenena manontolo.”

Tsy avy aminy anefa no itenenany an’izany,
fa noho izy lehiben’ny mpisorona tamin’izay taona izay,
dia naminany izy fa ho faty ho an’ny firenena i Jesoa,
ary tsy ho an’ny firenena ihany,
fa mba hamory ny zanak’Andriamanitra
izay efa niely koa ho antokony iray.
Hatramin’izany andro izany
dia nikendry izay hahafaty Azy izy ireo.
Koa tsy nandeha ampahibemaso
tany amin’ny Jody intsony i Jesoa,
fa niala teo nankany amin’ny tany akaikin’ny efitra,
ho any an-tanàna atao hoe Efrema,
dia nitoetra tany Izy mbamin’ny mpianany.
Efa akaiky ny Pakan’ny Jody tamin’izay,
ka maro ny olona avy tamin’izany tany izany
no niakatra tany Jerosalema alohan’ny Paka,
mba handio tena.
Dia nitady an’i Jesoa izy ireo
ka nifampilaza tao anatin’ny tempoly hoe:

“Ahoana no hevitrareo,
dia tsy ho avy hamonjy ny fety ve Izy?”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...