Ny filaminana dia ilaina tokoa na eo amin'ny fiaraha-monina samihafa na eo anivon'ny ankohonana. Isika tsirairay avy no mitambatra no zary ankohonana ary ny filaminan'ny tsirairay no antoky ny filaminan'ny ankohonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Niadian-kevitra teny Ambatonakanga ny momba ny tsy maty manota sy ny zo tsy azo ivalozana ananan'ny solombavambahoaka. Tsy ampy ny fananganana vondrona samihafa miady amin'ny kolikoly hoy ny filohan'ny CSI Rabenarivo Sahondra fa zava-dehibe koa ny fandraisana andraikitry ny rehetra... ♦ Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny mpanjifa isika teto Madagasikara. Tany Toamasina no nanamarihan'ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa izany... ♦ Miverina indray ny disadisa eo amin'ny Ben'ny Tanàna sy ireo fikambanan'ny mpivarotra ao amin'ny tsenan'Anosiala-Ambohidratrimo...
Voajanahary ny fitsipika sy ny lalàna ho an’ny fiaha-monina, lalàm-pitiavana no fepetra: tsy ho an’Andriamanitratra sy ny olombelona fotsiny fa natao ho an’ny firahalahian’ny olombelona. Mifampiankina ny fandrosoana amin'ny lafiny rehetra. Voajanahary ny fiaraha-monina noho izany voajanahary ihany koa ny fahefana ara-politika hitantanana ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alakamisy 16 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 14-23)
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco