26 jona 2023 — Fetim-pirenena Malagasy — Ny fonenako ho eo ambonin'izy ireo, hoy ny Tompo. Izaho ho Andriamanitr'izy ireo, ary izy ireo ho vahoakako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio (Mt. 6, 31-34)
Manana adidy amin'ny fireneny sy ny tanindrazany ny olona tsirairy. Hasin'ny Firenena sy ny hasin'ny vahoaka ao amin'ny dia mifamatotra tanteraka ary mifamatotra tanteraka ihany koa amin'ny didy fahaefatra amin'ny didin'Andriamanitra dia ny hoe "manajà ny ray aman-dreninao mba ho ela velona ianao". Tsy ampy ny fanajana ny ray aman-dreny fotsiny fa manana adidy ihany koa isika mba hanaja ny manodidina antsika, ny mpiara-monina ary ny mpiray tanindrazana sy firenena.
Ny tena soa ho an'ny olombelona sy ny zava-boahary hatrany no tokony hokatsahina. Aoka hotombanana ambony indrindra hatrany ny hasina maha-olona, ary miaraka amin'izay ny zava-manana aina hafa. Aoka tsy hoviraviraina tafahoatra amin'ny fanandramana ny aina. Raha misompatra sy manara-po ny olombelona dia iharan'ny hatezeran'ny natiora, toy ny tondra-drano, hain-tany, aretina. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
25 jona 2023 — Alahady Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 26-33)
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco