Boky mitantara ny asan’ny Apôstôly (Asa 2, 14a. 36-41)
Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera,
ka nanao antso avo tamin’ny Jody hoe:
“Aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina,
fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny,
no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy”.
Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona,
ka hoy izy tamin’i Piera sy ireo Apôstôly namany:
“Inona àry, ry rahalahy, no hataonay ?”
Dia hoy i Piera tamin’izy ireo:
“Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy
amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra,
mba hahazo ny famelana ny fahotanareo,
dia handray ny Fanahy Masina homena anareo.
Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana,
sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any,
rehefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika koa”.
Ary nanambara sy namporisika azy tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe:
“Vonjeo ny tenanareo
mba ho afaka amin’ity taranaka ratsy ity”.
Dia natao Batemy izay nandray tsara ny teniny,
ka niampy tokony ho telo arivo ny isan’ny mpianatra
tamin’izany andro izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5-6
Ny Tompo miandry ahy:
tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany,
tarihiny amin’ny lala-marina.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy misy loza atahorako
satria Ianao miaraka amiko,
ireo tehinao mampatoky ahy.
Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.
Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.
Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 2, 20b-25)
Ry hava-malala,
raha manao soa ianareo no ampahoriana,
ka miaritra amim-pandeferana,
dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra.
Sady izany koa no niantsoana anareo,
satria i Kristy nijaly ho anareo koa,
ka namela fianarana ho anareo,
mba hanarahanareo ny diany;
dia Izy, Ilay tsy nanota akory,
na mba niloa-bava nilaza fitaka velively;
Izy Ilay notevatevaina, nefa tsy nandrahona,
fa nanolo-Tena tamin’ny mpitsara Azy tsy ara-drariny;
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo,
mba ho faty isika raha ny amin’ny ota,
fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana;
ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Fa efa toy ny ondry nania ianareo,
ary indro ankehitriny
efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo,
sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 1-10)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny Farisianina hoe:
“Lazaiko marina aminareo,
fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry,
fa mananika amin’ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy;
fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry.
Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy,
ny ondry mihaino ny feony,
ary izy miantso ny Azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy.
Rehefa tafavoakany avokoa ny azy,
dia mialoha izy,
ka manaraka azy ny ondry,
satria mahalala ny feony;
ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany,
satria tsy fantany ny feony”.
Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany,
nefa tsy azon’ireo izay nolazainy tamin’izany.
Ka hoy indray i Jesoa taminy:
“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa Izaho no varavaran’ny ondry.
Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako,
fa tsy nihaino azy ny ondry.
Izaho no varavarana.
Raha Izaho no idiran’ny olona, dia hovonjena izy,
ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana,
fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana,
sady hananany azy be dia be”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny vodiondry dia fanajana ny ray aman-drenin'ny vehivavy sy fanomezam-boninahitra. Fomba malagasy hanamarihana ny fifamatorana ara-panambadiana. Ireo dingana hatao hatanteraka ny vodiondry tamin'ny fomba malagasy dia : voalohany indrindra ny fanapahan-kevitry ny lahy sy ny vavy hifanambady, faharoa dia ny Fitadiavana andro tsara hanatanterahana ny fomba, fahatelo dia ny fiantranoana na fihaonana amin'ny fianakaviana izay misy kabary, ary fahaefatra farany dia ny fanatanterahana ny vodiondry. Ny fotoana fanatanterahana ity fomba ity dia matetika amin'ny volana mifanandrify amin'ny tonom-bitana : Alahamady, Asorotany, Alahasaty ary ny Asombola ; ho an'ireo maty vady te hanorona tokantrano kosa dia ny Alakaosy...
♦ Tsy mamadika fa miaro ny vahoaka amin'ny tsy rariny ireo solombavambahoaka anatin'ny Mihava Tour, hoy ny Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, raha namarana ny fitsidihana tany amin'ny Faritr'i Sava. Fotoana nilazany ny tsy fiarahan'izy ireo intsony amin'ny fitondràna... ♦ Olona roa no voasambotra, anisan'ireo tompon'andraikitra tamin'ny fitondràna ireo mpifindra monina antsokosoko, saika hiondrana tatsy amin'ny nosy Mayotte ny alin'ny 11 marsa teo. Hitondra fanazavàna ny eo anivon'ny APMF... ♦ Zaza 5 mianadahy no maty, vokatry ny fihinanana veoveo tany amin'ny Fokontany Vohitsindry, Kaominina Namorona, Distrika Manakara. Ny hanohanana no nahatonga azy ireo nihinana io karazan-java-maniry io...
Maro isan-karazany ireo tombon-tsoa azo avy amin'ny fampiasana ny "facebook" raha tena ampiasaina amin'ny maha fitaovana azy satria mampiditra fomba vaovao hifandraisana sy hahazoana vaovao izy ity. Anisan'ny tanjaky ny "facebook" ny fahafahana mampitombo ny fifandraisana. Mila fitandremana ny fampiasana ny "facebook" hoy ny Papa Fransoa : tsy afaka manolo ny tena zava-misy ny virtoaly. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco