Isan'ireo voka-dratsin'ny "facebook" ny faharavan'ny tokan-trano maro. Misy ireo mpivady zary mifampiahiahy sy tsy mifampatoky intsony, ary mety hitarika hatramin'ny fisarahana. Variana amin'ny fampiasana finday na solosaina ny mpivady ka miteraka tsy filaminan-tsaina izany. Mety hiteraka tsikelikely ny faharavan'ny fifandraisana sy ny elanelana eo amin'ny mpianakavy. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason. 

21 aprily 2023 — Zoma, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 1-15)

♦ Tsy nisy olom-panjakna ambony na iray aza, notsaraina teo anivon'ny HCJ, tao anatin'ny 5 taona. Naneho ny alahelony manoloana izany, ny Filohan'ny kômity miaro ny fahitsiana na ny CSI, androany... ♦ Miatrika ny Fivoriambe isan-taona, eto Antananarivo, ny "Justice et Paix" eto Madagasikara. Anisan'ny voaresaka sy dinihina amin'izany ny famakafakana ny zava-misy ara-piaraha-monina sy nanaovana tatitra ny tranga niseho isan-diôsezy... ♦ Misy ilay tetik'asa OTOH, hanomezan'ny fitondram-panjakana zara-tany maimaimpoana, ho an'ny sokajin'olona tsy manana fahafahana hividy tany sy hanorina trano...

♦ Handray anjara amin'ny fivoriana an-tampon'ny COMESA amin'ity taona ity ny delegasiôna Malagasy tarihan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Fihaonana hatao atsy Lusaka Zambie ny 08 jona 2023 ho avy izao... ♦ Heverina hisokatra amin'ny volana jolay izao ny Bankin'ny Paositra eto Madagasikara. Ireo biraon'ny Paositra 250 manerana ny nosy no hotrandrahana saingy ny birao amin'ny tanàn-dehibe miisa 28 no hisantarana izany... ♦ Tratra ny fanamby napetraka tamin'ilay tetik'asa "Tontolo Voajanahary Lovain-jafy amin'ny ilany antsinanan'i Madagasikara" amin'ny fahafahan'ny tantsaha miatrika ny fiovan'ny toetr'andro tamin'ny taona 2022. Tetik'asa madinika 174 isa no natao nandritra izany hoy ny tompon'andraikitra...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...