Ny fanambakàna dia miseho amin'ny endriny maro noho ny tsy fahalalana. Ny fanambakàna dia manimba ny rivotry ny fiaraha-monina, na eo amin'ny olon-droa na eo amin'ny fianakaviana na eo amin'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Mahatsiaro ho voafitaky ny mpitondra ankehitriny ny antoko Malagasy Miara-Miainga hoy ny filoha nasiônaliny Hajo Andrianainarivelo. Tsy marina ny filazana fa seza no manosika azy ireo nisitaka tao amin'ny fitondrana... ♦ Nahazo fahafahana vonjy maika ny tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon'ny CNaPs Tsaboto Joslina. Efa nody any an-tokantranony izy... ♦ Misy manodikodina ny fanampiana ho an'ireo mponina ianjadian'ny kere any amin'ny faritra atsimon'ny nosy hoy ny TIIMG... ♦ Nifarana omaly ny iraka notanterahan'ny miaramila israeliana, any Cis Jordanie. Hetsika ara-tafika nandritra ny roa andro nahafaty olona 12 isa,iadiana amin'ny mpampihorohoro araka ny nambaran'ny mpitondra any Israël...
Isika olombelona dia mpiara-miasa amin’Andriamanitra. Izany hoe: manohy ny asa fahariana, hanome aina sy hikolokolo an’izay nohariny. Fahefana sy tso-drano nomen’Andriamanitra antsika olombelona io, hampirindra sy hampilamina ny misy manontolo. Izany hoe: tsy hanova na hanakorotana izay nataon’Andriamanitra. Matoa tsizarizary ny fiainantsika dia satria simba ilay tontolo iainana... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
6 jolay 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio ( Mt. 9, 1-8)
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco