24 aogositra 2023 — Masindahy Batelemy, Apôstôly — Fankalazana — Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, ianao no Mpanjakan’i Israely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 45-51)
♦ Mbola tsy nisy kandidà nanatitra ny taratasy firotsahan-ko fidiana teny amin'ny HCC, hatramin'ny androany. Misy amin'ireo kandidà no mitaraina amin'ny fomba famenoana ireo antotan-taratasy ilaina... ♦ Manomboka mirongatra indray ny fandripahana ny harena voajanahary eto Madagasikara, amin'izao ankatoky ny fifidianana izao, hoy ny Alliance Voahary Gasy. Maro ireo tranga tsikaritr'ity Firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny tontolo iainana ity... ♦ Nitso-drano ireo atleta malagasy 485 mianadahy hiaro ny voninahitr'i Madagasikara amin'ny Lalaon'ny Nosy, ny Filoham-pirenena...
Bokin’i Rota (Rota 2, 1-3. 8-11 ; 4, 13-17)
Nanana havam-bady anankiray i Nôemi,
lehilahy manan-jo sy manan-karena,
avy amin’ny fianakavian’i Elimeleka izy io,
ary Bôôza no anarany.
Ary hoy i Rota ilay Môabita tamin’i Nôemi:
“Mba te-handeha ho any an-tsaha aho
hitsimpona salohim-bary eo aorian’izay hahitako fitia eo imasony.”
Ka hoy izy namaly azy:
“Andeha, anaka.”
Dia nandeha izy ka nitsimpona salohim-bary
tany amin’ny saha anankiray teo aorian’ny mpijinja,
ary sendra teo amin’ny tanimbarin’i Bôôza,
fianakavian’i Elimeleka indrindra, no nalehany.
Dia hoy i Bôôza tamin’i Rota:
“Izao no izy, anaka:
Aza mandeha mitsimpona any amin’ny tanimbary hafa,
aza miala eto,
fa mijanòna toy izao miaraka amin’ny ankizivaviko.
Jereo izay tanimbary hojinjaina dia manaraha eo aorian’ireo.
Efa nilazako ny mpanompoko mba tsy hikasika anao.
Ary raha mangetaheta ianao,
mandehana eo amin’ny siny dia misotroa amin’izay nantsakain’ny mpanompo.”
Tamin’izay,
dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin’ny tany,
ka nanao taminy hoe:
“Inona no mba nahitako fitia teo imasonao
ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny?”
Dia hoy ny navalin’i Bôôza azy:
“Efa nilazana avokoa ny nataonao ho an’ny rafozanao hatrizay nahafatesan’ny vadinao aho;
sy ny nandaozanao ny ray aman-dreninao mbamin’ny tany nahaterahanao,
ka nankanesanao atý amin’ny firenena tsy fantatrao akory taloha.”
Dia nampakarin’i Bôôza i Rota ka tonga vadiny ary nandeha taminy i Bôôza.
Ary nampanana anaka an’i Rota ny Tompo ka niteraka zazalahy izy.
Dia hoy ny vehivavy tamin’i Nôemi:
“Hisaorana anie ny Tompo
fa tsy navelany tsy hanam-panavotra ianao ankehitriny.
Hankalazaina anie ny Anarany eo amin’i Israely!
Io no hamelona ny ainao sy ho tohan’ny fahanteranao,
fa naterak’ilay vinantonao izay tia anao
ka mihoatra noho ny zanaka lahy fito ho anao.”
Dia noraisin’i Nôemi ny zaza ka nataony teny antrotroany,
ary izy no nitaiza azy.
Ny vehivavy namany kosa nanome anarana azy, ary nanao hoe:
“Nahazo zazalahy i Nôemi”,
ka nataony hoe Obeda ny anarany.
Izy no rain’i Izaia, rain’i Davida.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 127, 1-2. 3. 4-5
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny Lalany.
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao:
ka sambatra sy tretrika!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
ao anivon-tranonao.
Ny zanakao: solofon’ôliva
manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo.
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra iainanao.
Aleloia. Aleloia.
Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)
Tamin’izany andro izany i Jesoa,
niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany hoe:
“Efa mipetraka eo amin’ny fipetrahan’i Môizy
ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;
ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo,
fa aza maka tahaka ny ataony,
satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.
Fehezin’izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina,
ka atainginy eo an-tsoroky ny olona,
nefa izy tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra
ka dia filakitera lehibebe kokoa
sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny.
Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana,
ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagôga,
ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.
Fa ianareo kosa,
aza mba mety antsoina hoe Raby fa iray ihany ny Mpampianatra anareo,
ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo;
fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra.
Aza mety atao hoe mpampianatra;
fa iray ihany no Mpampianatra anareo, dia i Kristy.
Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo;
fa izay hanandra-tena dia haetry,
ary izay hanetry tena dia hasandratra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Horaisina anio eto Antananarivo renivohitr'i Madagasikara ny afo ho an'ny lalaon'ny nosy rehefa avy nitety ny renivohi-paritany 5... ♦ Mizarazara ny hevitry ny mpanao pôlitika manoloana ilay fitsipika hifehy ny fitondrantenan'ireo antoko pôlitika, izy nampahafantarina androany... ♦ Efa madiva hifarana ny fikirakirana ireo taratasim-panadinana tamin'ny fifaninanana handraisana mpandraharaha ny fonja farany teo... ♦ Lohalaharana amin'ny famonoana kristiana aty amin'ny Kaontinanta Afrikana ny any Nigéria...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco