Vakiteny voalohany
Boky voalohan’i Makabeo (Makabeo 1, 11-16. 43-45. 57-60. 65-67)
Hatezerana mafy loatra no niantonta tamin’ny vahoaka.
Tamin’izany andro izany,
nisy solofom-paharatsiana anankiray nivoaka avy amin’ireo mpanjaka,
dia i Antiôkosa Epifana, zanak’i Antiôkosa mpanjaka,
izay natao antoka tany Rôma,
sy tonga mpanjaka tamin’ny fahafito amby telopolo amby zato taonan’ny mpanjakan’ny Greka.
Tamin’izany andro izany,
nisy taranaka mpivadika avy amin’i Israely
ka nitarika ny hafa betsaka koa, nanao hoe:
“Andeha isika hikambana amin’ireo firenena manodidina antsika
fa nidiran-doza maro isika,
hatrizay nitokanantsika lavitra an’ireo izay.”
Ary nataony ho mety harahina izany teny izany.
Ka ny sasany tamin’ny vahoaka dia rototra nanatona ny mpanjaka,
ka nomeny lalana hanaraka ny fanaon’ny firenena.
Nanorina toerana fanaovana asa tena mampatanjaka tao Jerosalema,
araka ny fanaon’ny firenena izy ireo.
Nofoanan’izy ireo ny marika amin’ny famorana azy,
dia nialany amin’izay ny fanekena masina,
ary tafakambana tamin’ny firenena sy nivaro-tena hanao ny ota izy.
Namoaka didy tamin’ny fanjakany manontolo i Antiôkosa mpanjaka,
mba hiraisan’izy rehetra ho vahoaka tokana,
fa samy hanary ny lalàny manokana.
Nanaraka ny didin’ny mpanjaka avokoa ny firenena.
Nanaiky hanaraka ny fombam-pivavahany koa ny Israelita ankamaroany;
ka nanao sorona tamin’ny sampy sy nandoto ny sabata.
Tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana Kasleo,
taona fahadimy amby efapolo amby zato,
dia naoriny teo ambony ôtelin’ny sorona dorana
ny fahavetavetana lozan-tany.
Nanorenany ôtely koa teo amin’ny tanànan’i Jodà rehetra,
eny amin’ny manodidina.
Ary nandoro emboka teo am-baravaran’ny trano
sy teny amin’ny kianja izy ireo.
Raha mahita Bokin’ny Lalàna eny ho eny izy,
rovitiny aloha, dia dorany.
Izay nahitana Bokin’ny Fanekena,
ary izay niseho ho mbola miraikitra amin’ny lalàna,
na zovy na zovy,
dia novonoina ho faty, noho ny didin’ny mpanjaka.
Maro anefa ny Israelita no nanohitra tamin-kerimpo
sy nanao fikasana mafy tsy hihinana na inona na inona amin’izay maloto.
Naleony maty toy izay handoto tena amin’ny hanina,
sy hametaveta ny Fanekena masina;
ka dia maty izy ireny.
Hatezerana mafy loatra no niantonta tamin’i Israely fahizany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 118, 53 sy 61. 134 sy 150. 155 sy 158
Velomy aho, Tompo, hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao.
Entanin’ny hatezerana aho noho ireo ratsy fanahy,
izay mandao ny lalànao.
Voan’ny fandriky ny ratsy fanahy aho;
nefa tsy manadino ny lalànao.
Avoty amin’ny fampahorian’ny olombelona aho,
mba hitandremako ny lahatrao.
Ireo mpanenjika ahy manatona heloka,
fa manalavitra ny lalànao kosa.
Lavitra ny olon-dratsy ny famonjena;
satria izy tsy mitady ny fitsipikao.
Nahita mpivadika aho: ka narikoriko;
ny didinao tsy mba tandremany.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 35-43)
Inona no tianao hataoko aminao? Mba hahiratra aho, Tompo.
Tamin’izany andro izany,
nony mby tao akaikin’i Jerikao i Jesoa,
dia nisy jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
Ary nony nandre ny vahoaka nandalo izy,
dia nanontany hoe:
“Inona izany?”
Ka nilazana fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo.
Dia niantso izy nanao hoe:
“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô,
mamindrà fo amiko.”
Noraran’izay teo aloha izy mba hangina,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe:
“Ry Zanak’i Davida ô,
mamindra fo amiko e!”
Dia nijanona i Jesoa,
ka nasainy hoentina mankeo aminy izy.
Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe:
“Inona no tianao hataoko aminao?”
Ary hoy izy:
“Mba hahiratra aho, Tompoko.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Mahiràta, ny finoanao no nahavonjy anao.”
Niaraka tamin’izay,
dia nahiratra izy ka nanaraka Azy sy nankalaza an’Andriamanitra.
Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.