Vakiteny voalohany

Fiantombohan’ny Bokin’i Rota (Rota 1, 1. 3-6. 14b-16. 22)

Nody niaraka tamin’i Rota, Môabita, i Nôemi ary niverina tao Betleema izy ireo.

Tamin’ny andron’ny Mpitsara, dia nisy mosary teo amin’ny tany.
Ary nisy lehilahy anankiray, avy ao Betleema any Jodà,
nandeha nitoetra tany amin’ny tanin’i Môaba,
niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.
Ary maty i Elimeleka vadin’i Nôemi,
ka izy irery sisa sy ny zanany roa lahy.
Naka vady tamin’ny vehivavy Môabita izy ireo,
ny iray natao hoe Orfà, ary ny iray natao hoe Rota,
dia nipetraka teo sahabo ho folo taona izy ireo.
Fa maty daholo koa izy roa lahy dia i Mahalôna sy i Seljôna,
ary ravehivavy irery sisa, fa maty ny zanany roa lahy sy ny vadiny.

Dia niainga izy sy ireto vinantony vavy ka niala tany amin’ny tanin’i Môaba,
satria reny tany amin’ny tanin’i Môaba
fa efa novangian’ny Tompo ny vahoakany ka nomeny hanina.
Fa i Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy.
Ka hoy i Nôemi:

“Nody ho any amin’ny fireneny sy ny andrianianiny iry ny zaobavinao,
ka mba modia miaraka amin’ny zaobavinao koa.”

Fa hoy i Rota:

“Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao,
fa izay halehanao no halehako,
izay honenanao no honenako,
ny firenenao no ho fireneko,
ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.”

Toy izany no nodian’i Nôemi,
ary niaraka taminy i Rota, Môabita, vinantovaviny
izay avy any amin’ny tanin’i Môaba.
Tonga tao Betleema izy ireo tamin’ny niandohan’ny fijinjana ny ôrja.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 145, 5-6. 7. 8-9a. 9bd-10

Derao ny Tompo, ry fanahiko.

Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba
sy mametraka ny tokiny amin’ny Andriamanitra Tompony.
Ilay nanao ny lanitra, ny tany sy ny riaka,
sy izay rehetra ao amin’ireny.

Ilay mitandrina mandrakariva ny fahamarinana
sy manome rariny ny ampahoriana!
Ilay mamahana ny noana,
Tompo mamaha ny mpifatotra.

Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika,
Tompo tia ny olo-marina,
Tompo mpiaro ny vahiny.

Tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena;
fa mampiviona kosa ny olon-dratsy.
Tompo manjaka mandrakizay;
dia ny Andriamanitrao, ry Siôna, amin’ny taona mifandimby!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)

Tiavo ny Tompo Andriamanitrao; tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.

Tamin’izany andro izany,
ren’ny Farisianina fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina,
dia nivory izy rehetra;
ary ny anankiray izay mpahay lalàna tamin’izy ireo
nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
inona no didy lehibe indrindra amin’ny lalàna?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy amin’ny fanahinao rehetra,
ary amin’ny sainao rehetra.
Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;
ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ao amin’izany didy roa izany ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hisokatra anio eny amin'ny HCC Ambohidahy ary haharitra 15 andro ny fametrahana ny antontataratasy ho an'ireo maniry ny ho kandinà filoham-pirenena...  ♦ Velontaraina tamin'ny herisetra ara-nofo nataon'ny lehilahy iray 30 taona tamin'ireo ankizivavikely 8 sy 6 ary 4 taona teny Ambolokandrina, ny ray aman-drenin'izy ireo.... ♦ Mbola vonona ny handresy kosa ny Elgeco Plus amin'ny lalao miverina hifanandrinany amin'ny Gaborone United, izay hatao eny Mahamasina amin'ny alahady izao... ♦ Mangataka ny hanafahan'ireo miaramila nandrombaka fahefana any Niger an'i Mohamed Bazoum, ny zanany vavy...

Tsy tokony aompana amin'ny ara-toekarena fotsiny ny asa fa hitsinjovana ny mpiara-belona sy fanompoana an'Andriamanitra. Ny toetra ny ray ao anatin'ilay fanoharana mikasika ny zaza mpandany dia izy manova toe-po sy toe-tsaina porofo ny nampiankajoana ilay zaza mpandany, ny nampisakafoany sy nampiantranoiny azy. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

23 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...