31 ôktôbra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 18-21)
♦ Matahotra mafy amin'ny ainy, ireo olona efa nahazo fandrahonana avy amin'i Leva, ilay Solombavam-bahoaka teo aloha, satria nambaran'izy ireo, fa efa tafavoaka ny fonjan'i Tsiafahy ny tenany... ♦ Nifanatri-tava mivantana teny Ampasampito indray androany, ireo manohana ny kandidà manao fampielezan-kevitra sy ireo mpanara-dia ny vondron'ireo kandidà, mandà ny hanatanterahana ny fifidianana amin'izao endriny izao... ♦ Mikatso noho ny tsy fanaovan'ny minisitra iray sonia ny fitakian'ny SECES, ny fampianarana eny amin'ny anjerimanontolo, hoy ny SECES sampana Antananarivo androany...
♦ Notsofin-drano sy noraisina omaly ny andiany Fihavaozana, mpamaky teny sy mpanotrona, ao amin'ny Grand Séminaire Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, Faliarivo Ambanidia... ♦ Nosokafana tao amin'ny Katedraly Fo Madion'i Maria, ny faha-25 taona niorenan'ny Diôsezin'Ambositra... ♦ Tanteraka ao amin'ny fitiva-namana ny fitiavana an'Andriamanitra, io no fampianarana netin'ny Ray masina, François omaly, nandritra ny vavaka Angélus...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 16, 3-9. 16. 22-27)
Ry kristianina havana,
veloma any amin’i Priska sy Akilasy
mpiara-miasa amiko ao amin’i Jesoa Kristy;
nanao vy very hamonjy ny aiko izy mivady ireo,
ka tsy izaho irery no misaotra azy,
fa ny Eglizy rehetra any amin’ny jentily koa,
ary veloma any amin’ny Eglizy rehetra izay ao an-tranony.
Veloma any amin’i Epeneto malalako,
izay santatr’i Asia ho an’i Kristy.
Veloma any amin’i Maria, izay niasa mafy ho anareo.
Veloma any amin’i Andrôniky sy Joniasa havako
sy niara-nifatotra tamiko,
izay sady tsara laza amin’ny Apôstôly
no tao amin’i Kristy talohako aza.
Veloma any amin’i Anfiasa,
malalako ao amin’ny Tompo.
Veloma any amin’i Orbano,
mpiara-miasa amintsika ao amin’i Kristy,
sy i Stakisa malalako.
Mifampiarahabà amin’ny fanorohana masina.
Manao veloma anareo ny Eglizin’i Kristy rehetra.
Izaho Tersiosa,
izay nanoratra itý taratasy itý koa,
manao veloma anareo ao amin’ny Tompo.
Manao veloma anareo i Gaïosa, ilay itoeranay,
mbamin’ny Eglizy rehetra.
Manao veloma anareo i Erasta,
mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna,
sy i Koartosa rahalahy.
Homba anareo rehetra anie
ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Amen.
Ary ho an’ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko,
izay nitoriana an’i Jesoa Kristy
sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay
(fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany,
araka ny didin’ny Andriamanitra mandrakizay,
ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana)
dia ho an’Andriamanitra, ilay hany hendry anie,
ny voninahitra mandrakizay mandrakizay,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 144, 2-3. 4-5. 10-11
Misaotra Anao isan’andro aho
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra;
tsy azo takarina ny halehibeny.
Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao,
sy mankalaza ny asanao mahery,
manambara ny harevaky ny voninahitrao,
mitantara ny asanao mahagaga.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra,
misaotra Anao ny mpivavaka aminao.
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 9-15)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza,
mba handraisany anareo any amin’ny tranolay mandrakizay
raha avy izay haharerahanareo.
Izay mahatoky amin’ny kely dia mahatoky koa amin’ny lehibe,
ary izay tsy marina amin’ny kely,
dia tsy marina koa amin’ny lehibe.
Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo,
iza no hametraka aminareo ny harena marina?
Ary raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo,
iza no hanome anareo izay anareo?
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa,
fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray;
na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray.
Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo.”
Ny Farisianina izay fatra-pitia vola
dia mba nihaino izany rehetra izany koa,
ka dia naneso Azy.
Fa hoy Izy tamin’izy ireo:
“Ianareo no mpanamarin-tena eo imason’ny olona,
nefa fantatr’Andriamanitra ihany ny fonareo,
ary izay ambony eo imason’ny olombelona
dia fahavetavetana eo imason’Andriamanitra kosa.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco