23 janoary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra Fahatelo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)
“Fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko”. Ny olona rehetra no tian’i Jesoa hiray lova aminy any amin’ny fanjakany. Ka zavatra roa no hitantsika eto: i Jesoa miezaka mamory ny olon-drehetra hiara-mitoetra aminy. Ny havany kosa niantso azy handao ireo mpianany, finakaviany vaovao. Ka rehefa notadiavin’ny reniny sy ny rahalahiny izy dia novaliny hoe izay rehetra manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, no reniny sy rahalahiny. Mampadini-tena antsika izany:
Indraidray isika mihevitra hoe vita batemy, kristianina tokoa, manara-dia an’i Jesoa, saingy ny fiainantsika mifanalavitra amin’ny Evanjeliny, tsy mifanaraka amin’ny fampianarany ary tsy mihevitra akory ny hampifanaraka azy amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Noho izany tsy afaka antsoina hoe kristianina isika. Mba ho tena kristianina marina isika dia mila mazotoa mivavaka any am-piangonana, mila mamaky sy mandalina ny tenin’Andriamanitra, mila mandalina finoana; raha tsy miezaka manao izany isika dia tsy afaka velively hahafantatra ny tena sitrapon’Andrimanitra. Indraidray halaim-panahy isika hoe manao ny rariny sy ny hitsiny fa araka ny saim-pantatsika sy ny danin’ny kibontsika no ataontsika fa tsy araka fampianaran’i Jesoa. Ka izany no antony maha zava-dehibe ny fanatsarana isan’andro ny fiainam-bavaka sy ny fahazotoana amin’ny fihainoana ny teniny. Mitaky ezaka avy amintsika ihany ko fitadiavana ny sitrapon’Andriamanitra, marina fa mpamonjy Andriamanitra, tsy midika izany fa afaka manao izay tainy atao isika, na tsy hihevetra ny hamonjena ny tenantsika. Misy fahendrena miteny hoe “Andriamanitra tsy miahy izay tsy miahy ny tenany.
Banjino àry i Jesoa, izy modely ho an’izay te hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Izy no nanolo-tena hanao ny sitrapon’Andriamanitra (He 10). Ka ny fanahafantsika azy no maha-reny, anadahy sy anabaviny antsika. Hitombo ao am-pontsika anie ny faniriana hihaino ny tenin’Andriamanitra tonga nofo ao amin’i Jesoa Kristy ka hahafahantsika miditra amin’ny fiainana, dia ny fiombonan-dova amin’ny Zanak’Andriamanitra.