Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 15, 14-21)
Ry kristianina havana,
izaho aloha, raha ny aminareo, dia matoky aho
fa feno hevitra tsara sy ny fahaizana rehetra ianareo,
sady mahay mifananatra koa.
Nefa nanoratra teny sasany an-kasahiana ho anareo aho,
toy ny mampahatsiaro anareo indray,
noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy
mba ho mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny jentily aho,
amin’ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra,
mba ho fanatitra ankasitrahany ny jentily,
rahefa nohamasinin’ny Fanahy Masina.
Koa mba manana rehareha ao amin’i Kristy Jesoa ihany aho
raha ny momba ny fanompoana an’Andriamanitra.
Satria tsy ho sahiko lazaina
raha tsy zavatra nampanaovin’i Kristy ahy,
mba hampanaiky ny jentily na tamin’ny teny aman’asa,
na tamin’ny herim-pamantarana amam-pahagagana,
na tamin’ny Fanahy Masina;
hany ka tongako hatraiza hatraiza ny fitoriana ny Evanjelin’i Kristy,
dia hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Iliria;
sady nalaiko ho voninahitra ho ahy
ny tsy nitory ny Evanjely afa-tsy tao amin’izay mbola tsy nanononana an’i Kristy,
mba tsy hanorina amin’izay efa nanorenan’ny sasany,
fa ho araka ny voasoratra hoe:
“Ireo tsy nilazana Azy dia hahita;
ary ireo tsy nandre ny aminy dia hahalala.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4
Ihirao antsa vao ny Tompo
fa mahagaga ny zava-bitany.
Fa tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny.
Ka dia hitan’ny firenena
ny famonjeny amam-pahamarinany.
Mba tsarovy, ry Israely,
ilay Fitiavany tsy mivadika.
He zahao e, ry vazan-tany
izato vonjin’Andriamanitra!
O ry tany, derao ny Tompo,
ka mientàna amin-karavoana!
Aleloia. Aleloia.
Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 1-8)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray
nanana mpitandrim-pananana izay nampangain’ny olona taminy
fa nandany ny fananany.
Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe:‘Ahoana izany fandrenesako anao izany?
Avoahy kely hoe ny fitandremanao,
fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao.’Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakampo hoe:
‘Inona re no hataoko,
fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho itý?
Ny miasa tany moa tsy vitako,
ny mangataka indray mahamenatra ahy.
Aoka fa fantatro izay hataoko,
mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony
rahefa esorina amin’ny raharahako aho.’Dia nampanalainy tsirairay
izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony,
ka hoy izy tamin’ny voalohany:‘Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?’
Dia hoy io:
‘Diloilo injaton’ny barika.’
Dia hoy ilay mpitandrina taminy:
‘Raiso ny taratasinao,
ary mipetraha ka soraty haingana dimampolo.’Dia hoy indray izy tamin’ny anankiray:
‘Hoatrinona kosa ny trosa aminao?’
Hoy io hoe:
‘Vary injaton’ny famarana.’
Dia hoy ilay mpitandrina:
‘Raiso ny taratasinao,
ka soraty valopolo.’Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina
satria nampiseho hafetsena,
fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao
amin’izy samy izy
noho ny zanaky ny fahazavana.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 14, 7-12)
Ry kristianina havana,
tsy misy velona ho azy isika rehetra,
na misy maty ho azy,
fa velona isika,
velona ho an’ny Tompo;
maty koa,
maty ho an’ny Tompo.
Koa amin’izany,
na velona na maty isika,
dia ho an’ny Tompo ihany.
Satria i Kristy no maty sy velona indray,
dia ny mba haha-Tompon’ny maty sy ny velona Azy.
Ka ahoana àry itý ianao no mitsara ny rahalahinao;
ahoana àry izato ianao no dia maneso ny rahalahinao?
Nefa samy hiseho eo amin’ny fitsaran’Andriamanitra ihany isika rehetra,
araka ny voasoratra hoe:
Raha velona koa Aho, hoy ny Tompo,
ny lohalika rehetra handohalika amiko,
ary ny lela rehetra hidera an’Andriamanitra.
Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 26, 1. 4. 13-14
Ny Tompo no fanilo sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
sy tozoiko indrindra, ry Tompo:
dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra hiainako:
mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo
sy hibanjina ny toerany Masina!
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny Tanin’ny velona!
Mahandrasa ny Tompo, marisiha!
Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!
Aleloia. Aleloia.
Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-10)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny poblikanina rehetra sy ny mpanota,
ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe:
“Ilay itý mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy.”
Dia nanao itý fanoharana itý tamin’izy ireo i Jesoa hoe:
“Iza moa aminareo no manana ondry zato
ka very ny anankiray
no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra,
ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?
Ary rahefa hitany
dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana,
ka nony tonga any an-tranony izy,
dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy
ary manao amin’ireo hoe:‘Miaraha mifaly amiko,
fa efa hitako ny ondriko very.’Lazaiko aminareo, fa toy izany koa
hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra
amin’ny mpanota iray mibebaka,
noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo
tsy mila fibebahana.
Sa iza no vehivavy manana dragma folo
ka very ny anankiray
no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano,
ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy?
Ary rahefa hitany dia mamory ny sakaizany
sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe:‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very.’
Toy izany koa lazaiko aminareo,
fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra
raha misy mpanota iray mibebaka.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Efa tomefy mpitandro ny filaminana indray ny eny amin'ny kianjan'ny 13 mey nanomboka ny maraina teo. Heverina fa hanakana ireo mpanao fihetsiketsehana izy ireo, raha misy ny fikasàn'ireo mpanara-dia ny vondron'ny kandidà, hiditra eny an-toerana... ♦ Nanitsakitsaka ny Lalam-panorenana indray ny HCC tamin'ny fanapahana navoakany, nanendry ny Jeneraly Richard Ravalomanana ho filoham-panjakàna hoy ny VHT. Nambaran'ny antoko fa niverina tamin'ny didy navoakany izay ambara fa tsy azo ivalozana ireo mpikambana ao... ♦ Mbola tsy tomombana araka ny tokony ho izy ny firosoana amin'ny fanavaozana amin'ny rafi-pampianarana hoy ny tale nasiônalin'ny fanabeazana katôlika hoy Mômpera Jules Ranaivoson....
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 13, 8-10)
Ry kristianina havana,
aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo,
afa-tsy ny fifankatiavana;
fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
Satria ny hoe:
Aza mijangajanga,
aza mamono olona,
aza mangalatra,
aza miampanga lainga,
aza mitsirirì-javatr’olona,
mbamin’ny didy hafa rehetra,
dia voalaza fohy amin’ny teny hoe:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana,
ka dia ny fitiavana
no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 111, 1-2. 4-5. 9
Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahìna.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina:
dia ireo mangoraka sy antra.
Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalany voalamina araka ny rariny.
Malala-tanana izy, manome ny mahantra;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay;
ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.
Aleloia. Aleloia.
Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 25-33)
Tamin’izany andro izany,
nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’i Jesoa,
ka nitodika Izy nanao tamin’ireo hoe:
“Raha misy manatona Ahy
ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny,
ary ny vadiny sy ny zanany,
mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny
ary na dia ny ainy aza,
dia tsy mety ho mpianatro.
Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka Ahy
dia tsy mety ho mpianatro.
Ka iza tokoa moa aminareo
no te-hanao tilikambo ka tsy mipetraka aloha
hitety izay ho laniny,
na hanana ny ampy hamitana azy izy, na tsia,
sao vita ny fototra vao tsy afa-manefa azy izy
ka holatsain’izay rehetra mahita hoe:‘Mba nanomboka nanao trano ralehilahy io,
nefa tsy nahavita tsinona.’Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa,
ka tsy hipetraka aloha hihevitra
na ho azony atao amin’ny miaramila iray alina
ny hikatroka amin’ny fahavalo roa alina avy hamely azy na tsia?
Fa raha tsy hahomby izy,
dieny mbola lavitra ilay mpanjaka anankiray
dia handefa iraka hanao raharaham-pihavanana aminy izy.
Toy izany koa,
na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany
dia tsy mety ho mpianatro.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco