Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela 1, 24-28

Velom-pisaorana i Annà noho ny nahaterahan’i Samoela.

Tamin’izany andro izany,
nony efa notazan’i Annà, reniny, i Samoela,
dia nentiny niakatra niaraka taminy,
sady naka vantotr’ombilahy telo
sy lafarina iray efah ary divay eran’ny siny hoditra izy;
dia nentiny nankao an-tranon’ny Tompo tao Silao izy.
Mbola tanora kely ny zaza.
Dia novonoin’izy ireo ny vantotr’ombilahy iray,
ary nentiny nankao amin’i Helî ny zaza.
Ka hoy i Annà:

“Aza mahafady, tompoko.
Raha velona koa ny ainao, tompoko, dia izaho ilay vehivavy
nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin’ny Tompo.
Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko
ary neken’ny Tompo ny fangatahana nataoko taminy.
Koa inty koa aho, mahafoy azy ho an’ny Tompo;
nafoy ho an’ny Tompo izy amin’ny andro hiainany rehetra.”

Dia niankohoka teo anatrehan’ny Tompo izy ireo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Boky voalohan'i Samoela 2, 1. 4-5. 6-7. 8

Ravo amin’ny Tompo ny foko!

Endrey ny hafaliako manana ny Tompo!
Ny lohako nitanondrika mitraka.
Ka indro aho misoka-bava hiaro tena.
Mifaly aho, ry Tompo, fa voavonjinao.

Ny olo-mahery tapaka tsipîka,
ny osa kanefa miatrana aman-kery.
Ny voky nasainy miasa mikarama,
ny noana kanefa homana tsy miasa.
Ny momba nomeny zanaka amam-para,
kanefa ny maro anaka malazo.

Mamono ary koa mamelona ny Tompo:
mampidina sy mampakatra ny maty,
mampanana sy mandevona ny Tompo,
mampietry Izy fa manandratra avy hatrany.

Alàny tsy ho eo am-bovoka ny ory,
akariny avy eo am-pako ny mahantra,
ka indro nomeny toerana mpanjaka,
tolorany fiketrahana mihaja.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 46-56)

Nahefa be tamiko Ilay Mahefa.

Tamin’izany andro izany,
i Maria nisaotra ny Tompo nanao hoe:

“Mankalaza ny Tompo ny fanahiko;
ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,
fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny.
Fa indro, hatramin’izao,
dia hataon’ny taranaka rehetra hoe: sambatra aho,
satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa.
Ary masina ny Anarany,
sady amin’izay matahotra Azy
hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.
Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy;
dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony;
naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy,
fa ny ambany kosa nasandrany;
ary ny noana novokisany soa,
fa ny mpanankarena kosa, dia nampodîny nitondra tanam-polo.
Niahy an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsy hadinony ny famindram-pony
tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay,
araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”

Nitoetra tokony ho telo volana
tao amin’i Elizabeta i Maria
vao nody tany an-tranony.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 61, 1-2a. 10-11)

Ho revon-kafaliana ao amin’ny Tompo aho.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo,
satria voahosotry ny Tompo aho;
nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra,
hamehy ny ferin’ireo torotoro fo;
hampandre amin’ny babo fa afaka, sy ny ao an-tranomaizina
fa alefa hitory taom-pahasoavana anankiray ho an’ny Tompo.
Ho revon-kafaliana eo amin’ny Tompo aho,
ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko,
satria notafiany fitafiam-pamonjena aho
ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana,
toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany;
toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy,
sy toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy,
no ampanirian’ny Tompo Andriamanitra ny fahamarinana sy ny fiderana,
eo anatrehan’ny firenena rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Lk. 1, 46-48. 49-50. 53-54

Hiravoravo ao amin’Andriamanitra ny foko.

Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny aiko:
fa nojereny ity ankizivaviny tsinontsinona,
ka hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho.

Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa,
ilay antsoina hoe “Ny Masina”,
ilay tia an’izay matahotra azy
amin’ny taona mifandimby.

Ireo noana vokisany soa,
ny manana ataony mody maina.
Nanarina an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsaroany ny teniny tamin’ny razantsika.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 5, 16-24)

Hotahiriziny tsy hanan-tsiny ho amin’ny fahatongavan’ny Tompo ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny vatanareo.

Ry kristianina havana,
mifalia mandrakariva;
mivavaha lalandava;
ary misaora amin’ny zavatra rehetra,
fa izany no sitra-pon’Andriamanitra,
ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Aza mamono ny Fanahy;
aza manamavo ny faminaniana,
fa zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara;
fa fadio kosa na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza.
Ary Andriamanitry ny fiadanana anie
hanamasina ny tenanareo manontolo,
ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny
ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika avokoa ny fanahinareo
sy ny ainareo ary ny vatanareo.
Tsy mivadika Ilay niantso anareo,
ka Izy ihany koa no hanefa izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 6-8. 19-28)

Eo afovoanareo misy Olona anankiray izay tsy fantatrareo.

Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra,
Joany no anarany;
tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy,
mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny.
Tsy izy anefa no Fahazavana
fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy.
Ary izao no nambaran’i Joany
raha naniraka mpisorona sy Levita, avy tany Jerosalema,
hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe:

“Iza moa Ianao?”

Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe:

“Tsy i Kristy aho”.

Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe:

“Iza àry?
i Elia va ianao?”

Fa hoy izy:

“Tsy izy aho”.

Ary hoy ihany izy ireo:

“Ilay mpaminany va ianao?”

Fa hoy ny navaliny:

“Tsia”.

Ka hoy izy ireo taminy:

“Iza àry ianao,
mba hitondranay valy amin’izay naniraka anay?
Ataonao ho iza ny tenanao?”

Dia hoy izy:

“Izaho no feo miantso any an’efitra hoe:
Ahitsio ny lalan’ny Tompo,
araka izay voalazan’i Izaia mpaminany”.

Ary Farisianina ireo iraka ireo.
Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe:

“Nahoana àry ianao no manao batemy
raha tsy i Kristy, na i Elia, na ilay Mpaminany?”

Ka novalian’i Joany hoe:

“Izaho manao batemy amin’ny rano;
fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo,
dia Ilay avy ao aoriako,
ary tsy mendrika hamaha ny kofehikapany aza aho”.

Tany Betania andafin’i Jordany,
izay nanaovan’i Joany batemy,
no natao izany zavatra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nohenoina eny amin'ny tobin'ny zandary eny Fiadanana indray androany maraina ny mpanao gazety Gasikara Fenosoa taorian'ny tamin'ny zoma lasa teo. Miaraka aminy amin'izay fanadihadiana izay ny mpisolo vava azy sy ny filohan'ny holafitry ny mpanao gazety... ♦ Teratany vahiny miisa 12 miampy malagasy miisa 2, ka ny iray governoran'ny Faritra, no nahiditra am-ponja vonjy maika, taorian'ny fihainoan'ny fampanoavana azy ireo. Fitrandrahana volamena tao amin'ny reniranon'i kamoro, kaominina Marokoro Maevatanàna no anenjehana azy... ♦ Natolotra an'ireo tantsaha ao amin'ny Faritra Vakinakaratra androany ny milina fanodinana ny paoma ho lasa ranom-boakazo. Ao Andranomanelatra Antsirabe faharoa ny lanonana...

♦ Nanamarika ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny kolikoly isika teto Madagasikara ny sabotsy 9 desambra teo. Mivoatra manaraka ny teknôlôjia ny fanaovana kolikoly eto amintsika hoy ny tompon'andraikitra ao amin'ny Bianco ka tsy maintsy mivoatra ihany ko any fomba fiasa... ♦ Nomarihana omaly 10 desambra ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'olombelona. Mampiroborobo ny zon'olombelona manerana an'i Madagasikara ny governemanta hoy ny Ministry ny Fitsaràna. Marefo ny mpiaro ny zon'olombelona eto amintsika... ♦ Hihena 19% ny drakaka ahondran'i Madagasikara amin'ny taona 2024 noho ny fepetra ho ampiarin'ny ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...