♦ Voasambotra androany teny Mahamasina, ny filoha mpitarika ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy. Tsy fantatra mazava ny antony, fa mety misy ifandraisany amin'ny hetsika kasaina hotanterahana amin'ny sabotsy izao... ♦ Nomarihana androany 22 febroary, izay daty nahaterahan'ny mpanorina azy, ny Andro maneran-tany ho an'ny Skotisma... ♦ Niampy telo indray ireo faritra miroso mankany amin'ny tany hay na voakasiky ny fiangazanana, eto Madagasikara. Milaza ho tsy mipetra-potsiny ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana, manoloana izany...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...