23 febroary 2024 — Zoma, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)

Ezaka andrasana amintsika amin’izao karemy izao, ity voalazan’ny Evenjely teo ity, dia ny fitodiantsika amin’ny hafa, amin’ireo namana fa indrindra ireo mpiara-belona amintsika. Fibebahana tokony asehontsika voalohany izany fa tsy misaraka velively kosa amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Ny fampianaran’i Kristy anio dia manampy antsika indrindra amin’izany, ary manitsy antsika koa mba tsy ho endrika ivelany ny fomba entintsika manatanteraka izany, fa ho tena fitiavana marina, izany hoe: tena fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana, izay tsy misaraka ary tsy mifanohitra velively.

Andriamanitra raha nitia dia ny maha Izy Azy no nanehony izany, ny maha Fitiavana Azy no nataony tamintsika olombelona. Koa raha mitia koa isika dia tokony ny tenantsika, ny maha isika antsika manontolo tsy voazarazara, no entintsika mitia, ary toy izany koa no iantefan’ny fitiavana ataontsika, tsy endrika ivelany toy ny an’ny Farisianina, fa fiainana anaty. Eo anatrehan’izany indrindra no hiezahana hifehy izay rehetra mety hamono ny hafa, hoy i Kristy, na teny na fihetsika na asa atao mivantana, fa endrika mamono ireo namantsika avokoa izany rahefa tsy voalanjalanja.

Eo koa ny fiezahana hanana toe-po mihavana, toe-po madio. Tsarovy fa ny fahalavorariantsika manoloana an’Andriamanitra dia tsy misaraka velively amin’ny fahalavorarian’ny fitiavantsika ny namana, fahalavorarian’ny fahamarinana sy ny rariny ataontsika amin’izy ireo. Ary tsy manana ny hasiny sy tsy ahitantsika sitraka eo anatrehan’Andriamanitra ny tolotra sy fanatitra ataontsika raha toa ka ny fontsika feno fankahalana, feno lolom-po, ra toa ka ny fontsika tsy afaka hisokatra sy vonona hifandray amin’ny namantsika.

Koa amin’izao karemy, fotoana tsara ibebahana izao, diovy sy havaozy ny fontsika, mba ho fo nofo afaka hitia marina tokoa.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...