Nahazo vokatra tsara amin'ny fikarohana nataony momba ny zezika kankana Andriamatoa Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Nivoatra dia nivoatra mantsy ny vokatra azo na tamin'ny fiompiana kankana na ny famokarana zezika ary indrindra ny vokatr'izany tamin'ny fampiharana azy amin'ny fambolena...

♦ Tsy afaka manao mpanolotsain'ny tanàna na mpanolotsaina monisipaly intsony, ny loha listra tsy lany tamin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna, raha ny voafaritry ny lalàna... ♦ Manentana ireo vehivavy hiroso amin'ny fandraisana andraikitra eo amin'ny sehatra pôlitika ny Filankevi-Pirenena ho an'ny Vehivavy eto Madagasikara, na ny CNFM... ♦ Tombanana hitombo 14%, raha oharina amin'ny tamin'ny taon-dasa ny tahan'ny fampidiran-ketra amin'ity taona 2023 ity, hoy ny Tale Jeneralin'ny Hetra... 

Manao ny tomban'ezaky ny Fandaharana EVA niandraiketany ny solontenan'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Pastooralin'ny Fahasalamana. Tsiahivina ny loha-hevitra nifampizarana nandritra ny taona ary angatahina amin'ny mpihaino ny heviny sy ny soso-kevitra hanatsarana sy hifampizarana amin'ny taona ho avy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...

♦ Mbola tena ambany ny taham-pandraisana anjaran'ny vehivavy eo amin'ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara. Latsaky ny 11% izany, raha ny tatitry ny CNFM... ♦ Manomboka ho velom-bolo ireo mponina any amin'ny Distrikan'Ankazobe ankehitriny, manoloana ny fampandrian-tany ataon'ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, hiadiana amin'ny fakana an-keriny... ♦ Dingana iray ahafahana mampiroborobo ny indostria ny fametrahana ny foibem-pitantanana CGASIM...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...