7 marsa 2024 — Alakamisy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 14-23)

Ry kristianina havana! Isika kristianina raha vao mandre hoe demony na Satana na Belzeboba na Losifera dia mihorohoro ary raiki-tahotra tokoa. “Normal” izany satria ny demony no mety mitondra antsika any amin’ny fahafatesana mandrakizay dia tsy inona fa ny fahaverezantsika any amin’ny afobe. Tanjon’izy ireo izany ary asa hikelezany aina andro aman’alina eto amin’ity izao tontolo izao ity. Raha ny nambaran’ny Evanjely teo àry dia voafaritry ny endriky ny ratsy isan-karazany ny demony ka demony moana no noroahan’i Jesoa ka namonjeny ity olona ity eto. Misy ny demony miseho amin’ny alalan’ny aretina, misy ny demony miseho amin’ny alalan’ny loza isan-karazany (horohoron-tany, rivo-doza, varatra…). Ho antsika anefa dia hoe loza voajanahary ireny. Amin’ny ankapobeny Andriamanitra tsy mamorona loza handripahana na hamonoana antsika izany fa matoa misy ireny dia asan’ny maizina avokoa. Aza adinoina koa anefa fa misy loza mihantra amintsika izay vokatry ny hadalantsika na tandrevaka ataontsika ihany. Tonga i Jesoa hanampy antsika sy hamonjy antsika handrava sy hiady amin’ireny herin’ny maizina ireny. Nampiteny ny moana izy teto, izany hoe namerina amin’ny laoniny izay noharian’Andrimanitra dia olona feno tsy misy fahasamponana. Aza miroro fo isika mangataka famonjena amin’i Jesoa manoloana ireo demony mampijaly antsika fa mamonjy antsika izy.

Mamonjy i Jesoa manao ny asany araka ny anarana ho entiny nefa dia mahazo loza indray izy eto fa mampiasa an’i Belzeboba handroahany ny demony; izany hoe izy mihitsy no apangaina misy demony matoa afaka mandroaka demony. Fa hoy i kosa Jesoa mamaly izany fiampangana izany hoe rava ny Fanjakana miady an-trano. Ny fisaratsarahana, ny ady amam-pifandirana dia mbola samy asan’ny demony avokoa izany. Raha tsy mahay mifanampy sy mifanohana amin’ny tsara isika dia ho resin’ny demony avokoa koa zava-dehibe ho antsika ny manambatra hery iadivana amin’ny herin’ny satana satria ny firaisan-kina no hery. Aoka samy hiezaka handrava ny toe-tsaina tsy tia fiombonana sy tsy manaiky hifandray amin’ny hafa fa izany ihany no mahatonga fifandirana isan-karazany ka miteraka fisaraham-bazana: mpivady, mpianakavy, fiaraha-monina sy antonkon’olona isan-karazany.

Miady ary isika ary miady mandrakariva amin’ireo karazana demony voatanisa eo ambony ireo. Aza miady irery anefa fa miaraha mandrakariva amin’Andriamanitra satria raha ny tanana maherin’Andriamanitra no miady ho antsika hoy i Jesoa dia ho resintsika ny demony sy ny fanangolena rehetra ataony antsika.

Jesoa Tompo ô! Omeo hery izahay tsy hanaiky ho sangisangian’ny demony fa hanohitra ary hahatohitra azy hatramin’ny farany satria maro be tokoa ireo karazana demony mandrendrika anay eo amin’ny fiainanay. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...